Raveloaritiana Mamisoa · Oktobra, 2012

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Oktobra, 2012

India: Mitohy ny Fifandirana Manodidina ilay Toby Nokleary Kudankulam

  23 Oktobra 2012

Tao anatin'ny hetsi-panoherana (jereo ny lahatsoratra Global Voices) no nanombohan'ny tetikasa Angovo Atomika ao Koodankulam, ao Tirunelveli, distrikan'ny firenena Indiana Atsimo,Tamil Nadu tamin'ny volana lasa teo. Nanomboka namokatra herinaratra ny orinasa saingy miharatsy hatrany ny toe-draharaha satria mbola mitohy ny fisamborana olona ary mbola maro ireo mpanao fihetsiketsehana any am-ponja. Nanamarika ny antso ho amin'ny...

Tandinonin-doza Ny Habaka Aterineto Zambian Watchdog

  22 Oktobra 2012

Tamin'ny 9 Mey 2012, tsy tafiditra tao amin'ny tranokala fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Zambian Watchdog avokoa ny mpiserasera. Nilaza ny ny Zambian Watchdog fa nokendren'ny Fanafihana Fandàvana Raharaha (DDoS), izay toa avy any amin'ny governemanta. Vao haingana tamin'ity taona ity, nisy ny tatitra fa nanokana vola 5000 miliara na US$1 tapitrisa ny governemanta Zambiana mba handefa polisy sy...

Libanona: Iza No Namono Ny Lehiben'ny Mpitsikilo Wissam Al Hassan?

Voarohirohy tamin'ny fahafatesan'ny lehiben'ny sampam-pitsikilovana Libaney, Wissam Al Hassan, namoy ny ainy noho ny fipoahana baomba omaly [20 Okt] tao Beirota,  avokoa na i Syria, i Iran, ary ny Hizbollah, izay namoizan'ain'olona sivy ihany koa ary naharatràna olona teo amin'ny 80 teo . Nofehezin'i Joyce Karam toy izao ny fijeriny taoriana ny fipoahana: @Joyce_Karam: Tsy...

Torkia: Fahanginana Manoloana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Gadra Politika Kiorda

Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina intsony ireo gadra politika Kiorda an-jatony ao Torkia. Tsy mba notaterin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izany hetsika tsy misy herisetra izany. Nilaza ny mpikatroka iray, izay nitantara mikasika ity hetsika ity fa ireto manaraka ireto no takian'ireo mpitokona tsy hihinan-kanina: @hevallo: Ny fanafahana ny lehiben'ny...

Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot

Akon  20 Oktobra 2012

Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...

Etazonia: Tolona ho An'ny Tanora Mpifindra-monina Tsy Manana Taratasy

  19 Oktobra 2012

Tanora mpifindra-monina tsy manan-taratasy an'hetsiny no faly tamin'ny vaovao nivoaka: Nanome alalana ny governemantan'ny filoha Barack Obama fa afaka  misoratra anarana amin'ny “tetikasa mbola miandry” ireo tanora mpifindra-monina tsy mana-taratasy, izay ahafahan'izy ireo mamaha ny olany ao anatin'ny roa taona. Ireto avy no fepetra takiana amin'ilay tetikasa [es]: 31 taona mahery nanomboka...

Ejipta: Ireo Olona Tsy Manana ny Zom-pirenena ao Ejipta

Ireo olona tsy mizaka ny zom-pirenena Ejypta dia ireo olona tsy manana firenena niavina (tanindrazana). Araka ny filazan'ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny mpitsoa-ponenana (UNHCR), 12 tapitrisa mahery ireo olona tsy manan-tanindrazana manerantany. Indraindray afangaro amin'ny mpitsoa-ponenana ny olona tsy manan-tanindrazana. Na dia izany aza, maro amin'ireo olona tsy manan-tanindrazana no...

Ireo Mpanoratra Mampiroborobo ny Literatiora Venezoeliana

  18 Oktobra 2012

Ity lahatsoratra ity no farany amin'ireo fizarana roa tamin'ny resadresaka niarahantsika tamin'ilay mpanoratra, Guillermo Parra Venepoetics, momba ny literatiora Venezoeliana (amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto) sy ny fandikàny ny haisoratr'i Jose Antonio Ramos Sucre.Afaka vakianao eto ny lahatsoratra tamin'ny voalohany.    Nandritra ny fizarana voalohany tamin'ny resadresaka, nilaza tamintsika momba ny traikefany amin'ny tononkalo...

Rosia: Mpanao Lalàna Mikasa Hametraka lalàna Amin'ny Tambajotra Sosialy

Anaty efi-manakon'ny RuNet, mora ho an'ny bilaogera ny voafandrika amin'ny lohatenin-gazety manaitaitra. Ity misy tranga iray amin'izany: Andro vitsy lasa izay, bilaogera maromaro no nirehidrehitra amin'ny hevitra fa misy komity ao amin'ny Duma miandraikitra ny fametrahana lalàna momba ny aterineto vao namolavola lalàna vaovao [ru] mametraka ny tsy maintsy hananan'ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy...