Raveloaritiana Mamisoa · Janoary, 2019

Lahatsoratra farany an'i Raveloaritiana Mamisoa tamin'ny Janoary, 2019

Ejipta: Bilaogera voatafika ao an-tranony

GV Mpisolovava  23 Janoary 2019

Notafihan'ny polisy sy ny rahalahiny izaho sy ny reniko, niditra an-keriny tao an-tranonay izy ireo ary nidaroka ahy. Misy maratra ny lohako ary tapaka koa ny nifiko iray. Tonga ato an-tranoko ny kolikolin' ny polisy!

Ejipta: Lavina ny fandraofana tsy ara-dalàna ireo fitaovan'olona manokana

GV Mpisolovava  17 Janoary 2019

Ny 30 Jona 2009, notanan'ireo mpitandro filaminana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Cairo ilay bilaogera, Wael Abbas,  izay manoratra matetika ny tranga fampijaliana sy ny fanararaotana ataon'ny polisy any Ejipta. Natao fikarohana ihany koa Atoa. Abbas ary nalain'ny polisy an-keriny ny solosaina findainy sy ny fananany hafa.

Mampiasa media elektronika ny fanjakana Ejipsiana

GV Mpisolovava  16 Janoary 2019

Na dia teo aza ny fanafihany ireo mpikatroka an-tserasera, indrindra fa ireo bilaogera, amin'ny ezaka hiadiana amin'ny fampiasana media elektronika ho an'ny zon'olombelona sy politika, dia nanomboka nampiasa fitaovana elektronika toy izany ihany koa ny governemanta Ejipsiana, saingy ho an'ny tombotsoany manokana.