Ejipta: Lavina ny fandraofana tsy ara-dalàna ireo fitaovan'olona manokana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2009)

Ny 30 Jona 2009, notanan'ireo mpitandro filaminana ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan'i Cairo ilay bilaogera, Wael Abbas,  izay manoratra matetika ny tranga fampijaliana sy ny fanararaotana ataon'ny polisy any Ejipta. Natao fikarohana ihany koa Atoa. Abbas ary nalain'ny polisy an-keriny ny solosaina findainy sy ny fananany hafa.

Noho io fihetsika io dia nanitsakitsaka ireto andininy manaraka ao amin'ny lalàm-panorenana Ejipsiana ireto ny polisy:

Andininy faha- 41: “… tsy misy olona azo samborina, savaina, tazonina na ferana ny fahalalahany na tsy avela hivezivezy malalaka raha tsy misy alalana na filàna fanadihadiana sy fitandroana ny filaminana.”

Andininy faha-42: “… Tsy misy olona azo tazonina na gadraina raha tsy amin'ny toerana voafaritra araka ny lalàna mifehy ny fonja …”

Andininy faha-45: “… tokony manana ny maha-masina sy tsiambaratelo azy ny tariby, ny antso an-tariby sy ny fitaovam-pifandraisana hafa ka tsy tokony alaina an-keriny na araha-maso raha tsy misy ny didim-pitsarana.”

Nanjary fanao mahazatra ampiharin'ny mpitandro ny filaminana ny fandraofana an-keriny ireo fitaovana manokana toy ny finday, solosaina, ny fakantsary, kapila matevina mandritra ny hetsi-panoherana ara-tsosialy milamina, any amin'ny seranam-piaramanidina sy ny toerana samihafa.

Ny fitaovana toy izany dia mety ahitana mombamomba manokana, sary sy antontan-taratasy izay tsy tokony hivoaka raha tsy misy didim-pitsarana. Ireo bilaogera, mpiaro ny zon'olombelona ary ireo mpikatroka ara-politika, indrindra any amin'ny faritra Arabo no tena iharan'ity karazana fandrahonana, fampitahorana sy fandikan-dalàna ity.

Vokatr'izany, vondrona bilaogera Ejipsiana, anisan'izany Atoa Abbas, sy ireo mpikatroka zon'olombelona, no tonga tamin'ny hevitra hanamboatra Badge (Marika) ho ampiasaina amin'ny bilaogy sy tranonkala, izay mitondra ny lohateny hoe Lavina ny fandraofana an-keriny ny fananan'olona manokana.

Natsangana ihany koa ny Hetsika Facebook mba hanapariahana ilay marika sy hanasana ny olona mba hanohana izany.

Ahoana no ahafahanao manampy?

  • Ampidiro ao amin'ny bilaoginao/tranonkalanao ilay marika.
  • Manorata lahatsoratra momba ny olana mahakasika ny fandraofana an-keriny tsy ara-dalàna sy tsy ara-pitsarana atao amin'ny  fananana manokana.
  • Asao ny namanao hanao toy izany koa.

Tohano izany, apetaho ny marika ary aelezo.

illegal-confiscation-badge

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.