Chile: Manao Fihetsiketsehana Sy Mitaky Fanavaozana Ny Fampianarana Ny Mpianatra

Protestas Chile

Fihetsiketsehana tao Santiago Chile. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr  NOtodoesARTE. CC BY-NC-ND 2.0.

[Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra]

Notontosaina tamin'ny 8 Mey 2014 ny diabe voalohany momba ny fampianarana mandritra izao governemantan'ny filoha Michelle Bachelet ankehitriny izao, ary nahazo alalana mialoha izany diabe izany. Nahitana ny fandraisana anjaran'ireo vondrona marobe ny fihetsiketsehana. Anisan'izany ny Kaonfederasionan'ny Mpianatry Chile  (Confech), Fikambanan'ny Mpianatry ny Lisea (ACES), Mpandrindra ny Mpianatry ny Lisea Nasionaly (Cones), Hetsiky ny Mpianatry ny Sekoly Ambony (Mesup), Fikambanan'ny Federasionan'ny Sekoly Ambony tsy Miankina (Ofesup) ary ny Fikambanan'ny Mpiasa ambony ao amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana (Andime).

Ny tanjon'ny diabe dia ny fitakiana fampianarana tsara kalitao sy maimai-poana, ary koa fandraisana anjara mavitrika amin'ny fanavaozana ny fampianarana, izay an-dalam-pandinihana amin'izao fotoana izao. Nampandre momba izany ny gazety La Tercera:

Diaben'ny mpianatra, inona no tanjona eto? Nilaza ny filohan'ny FEUC fa maniry “handray anjara amin'ny fanavaozana ny mpianatra”.

Notontosaina tao anatin'ny fotoana mitovy tao an-drenivohitra, Santiago sy toerana maromaro hafa tao amin'ny firenena ny diabe. Voamarika tamin'izany ny fandraisana anjara sy ny fahatongavan'ireo mpianatra marobe:

Qué bueno ver que la marcha estudiantil fue masiva en #Santiago y regiones. Todos por una nueva educación, que construya un mejor #Chile

— René Naranjo S. (@renenaranjo) May 8, 2014

Mahafinaritra ny mahita fa feno olona ny diaben'ny mpianatra tao Santiago sy ireo faritra hafa. Tafaray hoan'ny fampianarana vaovao mba hananganana Chile tsaratsara kokoa.

Tanora an'arivony no nandray anjara tamin'ny diaben'ny mpianatra voalohany tamin'ity taona ity tao Concepcion.

Nahitana diabe ihany koa tao amin'ny faritra maromaro eny amin'ny tanàna kelikely kokoa, tahaka ny tao IquiqueValparaíso, tanàna misy ny foiben'ny Kongresy Nasionaly, ary Valdivia.

Saingy indrisy, maloky ny fanakorontanana ny diabe tany amin'ny faritra sasany, korontana nataon'ireo mpianatra ihany izay tsy miraharaha sy tsy misy idiran'ny fitakiany.

Niantso izany fanakorontanana izany ho “loza miavaka” i Naschla Aburman, filohan'ny FEUC, ary nanambara fa misy ireo zavatra izay tsy arak'ireo mpikarakara ny manara-maso azy.

Naneho ny heviny mikasika ny zava-nitranga ireo mpisera Twitter, ary nizara sary sy vaovao mikasika ny fiantraikany:

AHORA: Intendente @orrego dice que “no hubo ningún incidente” durante marcha estudiantil. Sí “violentistas organizados” al final de ella

— Mauricio Bustamante (@tv_mauricio) May 8, 2014

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.