Notapenam-Bava Ny Gazeti-boky Antseraseran'i Yoani Sánchez Ao Kioba

14 y medio Yoani Sánchez

Gazeti-boky antserasera 14 y medio, araka ny hita avy any ivelan'i Kiobà.

Nampahafantarina androany tao anatin'ny adihevitra ny gazeti-boky antserasera tantanin'ilay bilaogera Kiobana Yoani Sánchez, 14ymedio [es] (14 taona sy tapany). Raha nikaroka ny rohy URL www.14ymedio.com ireo mponina ao amin'ny nosy, habaka milaza hoe “Yoani$landia.com» no hitan'izy ireo, izay ahitana ny iray amin'ireo foto-kevitra ampiasaina hanoherana an'i Sanchez lazaina fa nampiasa ny bilaoginy izy itsikeràny mafy ny fitondrana Castro hahazoany namana (mifanolo-tanana aminy) sy vola.

Yoani Sánchez Yoanilandia

Ora fohy taorian'ny fampahafantarana androany, namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny Andronay Voalohany (Our First Day), mitantara mivantana ireo ora maromaro voalohany nitsanganan'ny habaka ny 14ymedio, sy ny fanohanana azon'izy ireo sy ny fanapenam-bava nihatra tamin'izy ireo.

No hace falta tener mucha imaginación para descubrir la identidad de los agresores pero, como no tenemos pruebas, solo podemos conjeturar que se trata de alguien que cuenta con los recursos tecnológicos, los permisos de acceso y la información previa, más la animadversión.

Tsy mila fandinihana betsaka ny famantarana ny momba an'ireo mpanafika, saingy noho ny tsy fananantsika porofo, ny hany azo lazaintsika dia olona manana fitaovana teknolojika, fahazoan-dalana hiditra sy mahazo vaovao mialoha, ary fanafenana anarana izy ireo.

Hoy ny “Fanambaram-Pikasana'” [es] navoakan'ny 14ymedio:

14ymedio es fruto de la evolución de una aventura personal que se ha transformado en un proyecto colectivo. El blog Generación Y, realizado por Yoani Sánchez, ayudó a impulsar la blogósfera alternativa en la Isla y se ha convertido en referencia obligada sobre asuntos cubanos. Siete años después de su creación, con cerca de mil textos publicados y más de un millón de comentarios, esa bitácora personal deriva ahora hacia el espacio más amplio del periodismo.

14ymedio no vokatry ny fivoaran'ny zava-tsarotra niainan'olona tsirairay voajary ho tetikasa iombonana. Nanampy nanetsika ny tontolon'ny bilaogy tao amin'ny nosy ny bilaogy Génération Y, tantanin'i Yoani Sánchez, ary nanjary famantarana eo amin'ny raharaha Kiobàna. Fito taona taorian'ny nanangana azy, izay namoahana lahatsoratra teo amin'ny an'arivony sy fanehoan-kevitra maherin'ny iray tapitrisa, nanjary nankany amin'ny sehatra midadasika amin'ny asa fanoratan-gazety ity bilaogy manokana ity ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.