· Janoary, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Janoary, 2008

Obama sy ny fivavahana

  26 Janoary 2008

“Soa fa  nisy Barack Obama, mba hamaritan'ny Islam indray ny antsoina hoe “mpino” araka ny voambolana Silamo, na mila mieritreritra amin'ny famaritana vaovao anononana ny antsoina hoe ‘foko Miozolmana’ indray ny fianakaviambe iraisam-pirenena (na ny tontolo manerantany araka ny dika manta) mba ampifanarahana ny olana miatrika ny raharaha manokana ampiharina amin'iMr....

Brezila : Hanisa ny tratran’ny vono-olona

  26 Janoary 2008

Noarahabain’i PE Body Count [pt] ny vaovao henony fa misy vohikala vaovao ihany koa hanisa sy hametraka ny isan’ny famonoana olona ao amin’ny faritry Alagoas. “Raha te-hiady amin’ity heloka bevava ity dia tsy maintsy resy lahatra fa tena misy tokoa ilay zavatra. Ny ataonay dia ny hanisa ny famonoan’olona ary...

Afghanistan : Tetiky Bush tsy mahomby

  26 Janoary 2008

Notaterin’i Bipasha Ray ary ny filazan’ny Masoivoho tao amin’ny Firenena Mikambana taloha Richard Holbrooke ny politikam-pandanian’ny fitondram-panjakan’i Bush any Afghanistan mahatratra $1 000 000 000 isan-taona “ho praograma tsy nisy fiantraikany indrindra tamin’ny politika ivelany amin’ny tantaran’i Etazonia ”.

Ghana: Sarin'ny CAN (fiadiana ny amboara ekipam-pirenena Afrikana)

  25 Janoary 2008

David Ajao no manome saripika maromaro nalaina nandritra ny CAN na ny fifaninanan'ny ekipam-pirenena afrikana 2008: “Afaka tendrenao (kilikenao na pihanao) ny eo ambony sary ahitanao sary hafa na tendrenao ny rohy eo ambany hizoranao mankany amin'ny rakitsarin'ny Ghana 2008.”

Kamerona: Lahatsary fanadihadiana ny adin'ny Alemana sy ny Bakweri

  25 Janoary 2008

Lahatsary fanadihadiana vaovao momba ny tantaran’ny vahoaka Bakweri avy ao Kamerona iray indray no mivoaka: “…“Kuva Likenye”  no lohateniny ary mahatratra 30 minitra ny faharetany. Voatantara ao ny fitarihana nataon’ny Mpanjaka antsoina hoe Kuva Likenye ny andian’olona maro nitsangana nanohitra ny miaramila Alemana indrindra tanelanelan’ny taona 1891 sy 1894.”

Aostralia: ny lisitra 100 voalohan'ny bolongana any!

  25 Janoary 2008

Ny mpamaham-bolongana ao amin'ny Dipping into the Blogpond no nanangona sy nandahatra ny lisitry ny bolongana Aostraliana 100 voalohany araka ny fandaharan'ny Bolongana Alexa sy ny Technorati azy. (hita tamin'ny alalan'ny Endverse) Sambany vao nisy resaka tany teto an! Raha manindry ao ianao dia samy misy ny fandaharana araka ny isan'ny rohy...

Kambôdza: Fanevam-pirenena napetaka amin'ny kapa

  24 Janoary 2008

Tezitra amin'ny Vietanmiana mivarotra kapa misy ny sarin'ny tempolin'ny Angkor mipetaka eo amboniny ny Kambôdziana. Ahitana ny sarin'ny tempolin'i Angkor avokoa manko na ny vola na ny sainam-pirenena Kambôdziana.

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

  24 Janoary 2008

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary