Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2013

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Janoary, 2013

Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy

Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo:

les activités de la société QMM qui extraie l’ilménite à Fort Dauphin sont depuis ce jeudi 10 janvier fortement perturbées par une manifestation de foule. On parle même de suspension de l’exploitation d’ilménite […]

“nanomboka tamin'ny Alakamisy 10 Janoary dia nihena mafy ny raharaha fitrandrahana Ilmenita ataon'ny orinasa QMM any Taolagñaro nohon'ny mpirotaka. Toa re aza fa nahantona mihitsy izany fitrandrahana Ilménite izany […]”

Ny foiben'ny Rio Tinto dia nanambana ny fampitsaharana ny asa fitrandrahana raha mitohy ny rotaka [en]: (more…)

Ny Hasambarana Isan'Andro Isan'Andron'ireo Zokiolona

Happiness is to find an old friend. Illustration by Tiago Albuquerque on Felicidário

“Ny fahasambarana, dia mifanena amin'ny namana fahazaza”.  Fandravahan'i alustration Tiago Albuquerque sur Felicidário “Ny teny hafaliana, dia ny mahita ny namana tamin'ny fahazazana”. Fanehoan-tsary Tiago Albuquerque ao amin'ny Felicidario

Fikambanana mpanatalenta portogey no niara-miasa mandravaka ireo famaritana ny mety atao hoe fahasambarana ho an'ireo zokiolona, natao endrika fanisanandro. Azo jerena ao amin'ny tranokala Felicidário ny fanisanandro an-tserasera.

Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara

Famokarana Lavanila any Madagasikara, saripika nalain'i David Darricau tsikaritra ao amin'ny vohikala Flickr | Fahazoandalana CC NC-BY-2.0

Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha Eorôpene no nividy Lavanila tany Meksika ary nitondra izany hoan'ny mpanjaka frantsay Louis XIV izay nikasa hamboly izany tany amin'ny nosy La Réunion saingy tsy nahomby. Atoa Edmond Albius andevolahy tany La Réunion kosa no nahita ny vahaolana amin'ny famokarana idiran'ny tananolombelona an-tsehatra, fomba fanao izay mbola ampiasaina mandrak'ankehitriny. I Madagasikara no mpamokartra Lavanila be indrindra manerantany ankehitriny.

Nahita Zava-baovao amin'ny Ifandraisan'i Porto rico sy Corse ireo Mpianatra

Mpianatra porto-rikana nanao fitsidihana tao Bastia, any Corse, tamin'ny alalan'ny Vallendrea – Valam-bahoaka

Manana fifandraisana izay somary nampatsiahivana matetika nandritra ny fandaharam-pianarana nokarakarain'ny Oniversiten'i Porto Riko i Porto Riko sy i Corse. Ankoatra ireo endrika iraisana, toy ny jeografia sy ny fiavahana eo amin'ny fambolena (voly voasarimakirana vaventy), dia ampiraisin'ny tantara ihany koa ny nosy anankiroa hatramin'ny nifindràn’ireo Corses an-jatony nankany Porto Riko; nanomboka ny 1830.