Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Aogositra, 2015
Bolivia : Trano Fisakafoanana Mahazo Dera Noho Ny Fampandrosoany Malalaka Ny Reny Mampinono

Ny vakin'ny tabilao : ” Neny, rehefa te-hampinono ianao, midira fa aza mangataka fahazoan-dàlana ary manafàra dite mafana maimaim-poana. Tsy mila mividy na inona na inona ianao.”
Nozaraina sy nankasitrahana nanerana ireo haino aman-jery ao an-toerana ny sarin'ilay trano fisakafoanana tsy mihinan-kena sy tsy mihinana ny rehetra vokatra avy amin'ny biby, izay manasa ireo reny mampinono.
Red Monkey no anaran'ilay trano fisakafoanana.
Tsy voarara ny fampinonoan-dreny imasom-bahoaka any Bolivia, ary araky ny voalazan'ny Ministerio de Salud (Ministeran'ny fahasalamana) dia i Bolivia no firenena Amerikana Tatsimo izay manana taha ambony amin'ny fampinonoan-dreny.
Izany akory tsy midika fa ampiana na arovana ny fampinonoan-dreny amin'ny toerana vory vahoaka (ohatra, any amin'ny trano fisakafoanana ary vitsy kokoa eny an-dàlambe). Noho io antony io no nahasintonan'ity fandraharahana kely manodidina an'i San Miguel ity ny fisainan'ny maro.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...