Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2012
Afrika: Izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa Afrikana
John Karanja no miresadresaka mikasika izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa [na platforme] Afrikana:
What is an African platform? What does it look like? and perhaps more importantly what does it do? Will it address a Need or a Want? What exactly will make it African? […] Will it work elsewhere in the World?
Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo
“@zenaidamz:
#GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured”
Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany
Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara mba
ensure continued socioeconomic development without undermining ecological resiliency
Io tatitra io dia mifantoka indrindra amin'ireo fepetra rehetra noraisina, na nahomby na tsia, mba hampiantoana ny voka-dratsy izay ateraky ny firongatry ny mpitrandraka any amin'ireo faritra vao nahitana harena an-kibon'ny tany.
Tôgô: Andiam-behivavy miakanjo mena no nilahatra mitaky fivoarana ara-pôlitika
Tshady: niharan-doza teo am-piantsonana ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena
Ny mpiblaogy Malaika no mitatitra [fr] fa teo am-piantsonany any amin'ny faritr'i Kalaït dia niharan-doza ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena Tshadiana Idriss Deby. Tsy nisy ny aina nafoy. Handray anjara amin'ny vovónana mikasika fampandrosoana sy fandriampahalemana amin'iny faritra iny no anton-diany tany.
Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?
Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara:
Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise politique prolongée.
Arabia Saodita: “Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana ny aty” .. amin'ny hôtely fisakafoana iray

Toerana voaràra hoan'ny vehivavy tokana, tsikaritra tamin'ny varavaran'ny hôtely fisakafoana iray tany Arabia Saodita. Saripika napariaky @moadaldabbagh tamin'ny siokan-tseratsera
(more…)
Môzambika: Saripika bisikileta-fiarakaretsaka any Quelimane

“Môzambika: manjaka any Quelimane ny bisikileta-fiarakaretsaka.” Saripika nalain'i António Silva on Sapo (azo apariaka malalaka)
(more…)
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy. (more…)
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...