Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2010

Fifidianana Côte d'Ivoire : naato ny SMS

Ho fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana tontosaina ny alahady 31 oktobra ao Côte d'Ivoire dia naaton'ny ATCI (autorité des Télécom ivoirienne na sampandraharaha misahana ny fifandraisandavitra Ivoariana) ny fampiasana ny somaiso na SMS araka ny nambaran'i diabymohamed ao amin'ny Twitter, fanapahan-kevitra tohanan'ny sasany : “RT @2romeo: #Abidjan fanakatonana ny fampiasana ny SMS manomboka eo amin'ny ora fikatonan'ny fandrotsaham-bato ka mandrapahatongan'ny talata maraina. Hevitra mety mba hisian'ny filaminana eo ampiandrasana ny valim-pifidianana”.

Madagasikara: Tanàna nodoran'ny Dahalo nandritra ny halatr'omby

Notafihin'ny Dahalo ny tanànan'Ampasimbe sy Ankenihenibe [teny Frantsay | ndlr. any Fenoarivobe, faritra Bongolava, tamin'ny Talata 28 Septambra 2010] ary dia samy nangalarany omby miisa 18 sy 15. Raha lasa nanenjika ireto Dahalo ireo vatan-dehilahy tao an-tanànan'Ampasimbe, dia kilan'ny afo tsy tra-drano ireo trano tao an-tanàna nohon'ny rivotra izay nitsioka mafy [ndlr. trano 18 may ary tsy manan-kialofana mahatratra 122].

Afrika: Mbola mitolona ho amin'ny fahalalahana an-gazety ny mpanao gazety

Reporters Sans Frontières no namoaka ny Filaharan'ny fahalalahan-gazety androany (20/10/2010). Nomarihan'ity fizarana momba an'i Afrika moa fa faninefany misesy izay no nitazonan'i Eritrea ny laharana farany ary amin'ireo firenena afrikana mpiteny frantsay dia mampanahy tokoa ny fahalalahan-gazety [fr] any Roandà, RD Kongo, Kamerona, Cote d'Ivoire ary Madagasikara.

Afrika: Sarimihetsika mandiso ny fijery an'i Afrika

Africa is a Country no miresaka ilay sarimihetsika Madagascar amin'ny fomba fijery an'i Afrika anaty sarimihetsika: “Tsy mila mandinika lalina akory dia hahita fa fomba fitantara-na mpanjanatany (ilay sarimihetsika) Madagascar. Ny Tandrefana no lazaina fa maridrefy, ary i Afrika kosa lazaina ho saovazy [dia] sy vahiny [exotique] mba hanasongadinana ny hevitra fa ny an'ny tandrefana no manara-penitra.”

Iran: Rahona mainty manambana ny tanànan'i Teheran

Sangany amin'ireo blaogin-tsary Iraniana i Kosoof, izay manapariaka saripika: rahona mainty manambana ny tanànan'i Teheran. Feno rahona ny tranoko, hoy izy ao amin'ny blaoginy.

Cote d'Ivoire: Herisetra manakaiky fifidianana

Mpikaroka momba an'i Afrika Andrefana ao amin'ny Human Rights Watch (fanaraha-maso ny zon'olombelona) Corinne Dufka no niteny:” Raha mbola misaritaka amin'ny fikarakarana fifidianana ny mpanao politika sy ny diplaomaty vahiny, ny mponina any Côte d'Ivoire andrefana kosa levon'ny tahotra sao voaendaka na voasintona avy ao anaty fiara fitaterana dia misy manao an-keriny.” Nanangana sehatra ho avy amin'olo-tsotra entina hanaraha-maso ny fifidianana ny ONG Akendewa amin'ny fampiasana ny sehatra Ushahidi [Fr].

Madagasikara: tatitra momba ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana farany

Ny mpamaham-bolongana Jentilisa no nanome antsipiriany ny hitany maso [mg] tamin'ny herisetra [fr] nifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 18 Oktobra teto Antananarivo, Madagasikara.  Mpikambana avy amin'ny mpanohitra heverina ho 1500 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny fitsarana izay niantsoana ny mpitarika. Ity moa misy ny lahatsari-na olotsotra nisian'ny fihetsiketsehana nialoha ny fifandonana.