Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Febroary, 2011
Macedonia: Global Voices Nasongadina tamin'ny Fandaharan'ny Fahitalavitra
Filip Stojanovski, mpanoratra ao amin'ny Global Voices dia noraisim-peo [amin'ny teny makedoniana] ho an'ilay fandaharan'ny fahitalavitra Nie (”Isika”) momba ny lohahevitra : “Kale, Aterineto, Antoko politika, Facebook !? An'iza ny tsiny?”. Tamin'izany no niresahany ny toerana lehibe misy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra sy ny Global Voices. Ilay fandaharana dia nampiseho ampahany ihany koa tamin'ny resadresak'i Ethan Zuckerman nandritra ny valan-dresaka TED.
Iran: VOA nosovohan'ny “Cyber Army”
Nosovohan'ny [no-pirate-n'ny] “Cyber Army” [Tafika an-tseraseran'i] Iran ny tranonkalan'i Voice of America androany [talata] ka nametrahany hafatra ho an'i Hilary Clinton: “Rtoa. Clinton, Tianao ho heno ve ny feon'ny firenena voatsindry? Tsy ho voafitak'i Etazonia intsony ny firenena silamo, ary tianay ianao hampitsahatra ny fitsabahanao any amin'ny firenena silamo.”
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...