Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Avrily, 2008

Okraina: Tsiaro an'i Chernobyl

Mahatsiaro an'i Chernobyl i Déjà Vu – The Uncanny Feeling: “Raha mieritreritra momba ny Chernobyl aho … […] … nahita an'i Katya tao Kiev, 90 km atsimon'i Chernobyl, aho tamin'ny faha-16n'ny taonany, matin'ny tahotry ny loza izay tsy azony jerena na hevitreverina akory, nandray fiaran-dalamby ho any Leningrad handositra ny taratra mampidi-doza (radiation). Fa tsy niverina tany Kiev intsony ho'aho izy mandraka ity masonandro androany! Iny no “namarana tampoka teo ny fahazazako” hoy ny nambarany taty aoriana. Vadiko i Katya.”

Japan: sarin'ny fihetsiketsehana tao Nagano

Mousan ry zareo namoaka ny sary  maromaro nandritra ny fihetsiketsehana nilamina nitsena ny afo olaimpika nandalo tao Nagano, Japan a! izay hijery tsindrio io azo tsindriana io e!

Shina : vohikala tsy ara-dalàna

Tsikaritry ny mpamahana ny “soratra tsy miforitra” fa tsy voasoratra ara-dalàna araka ny takian'ny Minisiteran'ny orinasa fampahalalam-baovao ny anti-cnn.com [zh]. Misoratra amin'ny anaran'i Jim avy ao amin'ny Oniversiten'i Tsinghua ny vohikala ary ampiatranoan'ny www.DNS.COM.CN.

Okraina sy Rosia: Ireo dadan'ny filoha

Misy loharanom-baovao milaza fa ny rain'i Victor Yushchenko izay lazaina fa – “babo an'ady tao Auschwitz nandritra ny ady lehibe faharoa – dia polisin'ny Nazi no tena marina sady mpanome vaovao ny Nazi.” Misy koa ny loharanom-baovao manambara fa “niasa tamin'ny tafika niara-dalana tamin'ny Nazi notarihin'ilay jeneraly Rosiana Vlasov.”ny rain'i Vladimir Putin. Miresaka momba ireo lahatsoratra ampiady hevitra ireo eto sy eto i Kyiv Scoop.

Miaiky ny ezaka nataon'i Aimé Cesaire ny mpamaham-bolongana Jamaikana Geoffrey Philp , Manonona azy ho “ilay poeta hajaina manerana ny tontolo miteny frantsay sy mpitolona ho amin'ny zon'ny Indiana andrefana (mena hoditra)”, ary ny Caribbean Beat Blog kosa miteny azy hoe: “Amin'ny hafenoan-drano ( fo mavesatra) no hanaovana veloma ilay zanaky ny tanin'ny Indiana andrefana sy misaotra azy noho ny tolona tsy nanampitsaharana nanoherany ny fanjanahantany.”

Indonezia: Filazana fanairana manodidina ny tendrombohitra Papandayan

Vaovao avy any Indonezia no nanambara fa nakarina ho amin'ny dingana ambony ny filazam-panairana manodidina ny tendrombohitra volkano Papandayan. Miorina 51 km atsimo atsinanan'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra any Indonezia dia i Bandung ny volkano nefa misy mponina manodidina ny 3 000 000 eo ho eo ny mponina ao aminy.

Mozambika: Fifanarahana momba ny famerana indray ny karama farany ambany

Basilio Muhate [pt] no miresaka vetivety ny fifanarahana eo amin'ny sendikan'ny mpiasa Mozambikana sy ny vondron'ny mpandraharaha momba ny famerana ny karama ambany indrindra ao amin'ny vondron'asa valo na sivy voafaritry ny governemanta. “Raha tena nisy tokoa ny fifanarahana dia zavatra tsara izay eo amin'ny lafiny diplomatika. Ny tsy fantatra kosa dia izay mety ho fiantraikany (fiitarany) eo amin'ny fandanian'ny tsirairay sy eo amin'ny fomba fanakarany ny vidin-javatra eo amin'ny sakafo fototra ilaina any Mozambika”.

Isiraely: Figadran'ny lehiben'ny polisy Iraniana

“Mety ho tsaroanareo angamba ny amin'ilay lehiben'ny polisy Iraniana ary ampita ary izay tratra niboridana niaraka tamina makorenila enina tany an-tranondopy.Ie, ankehitriny toa re fa mbola hiray efitra amina olona enina miboridana ihany izy io, fa izy io aloha any amin'ny efitra fandroan'ny gadra lehilahy e,” dia izany ary ny soratry Aussie Dave avy any Isiraely.

Armenia: Kolontsaina hafa

Manoratra ny kolontsaina mety ho hafahafa amin'ny vahiny miaina any Armenia i Dominic. Tsy maintsy miatrika ny fifampitantanan'ny olona amin'ny fandihizana tampoka eny an-dalana, marihin'ingahy mpanolotenan'ny tafi-pandriampahalemana moa fa mahitsy fo kokoa ny Armeniana amin'ny fitsikerana ny hafa.

Jordana: Ahoana ny ahafahan'ny praiminisitra maneho ny fahamendrehany?

Avy any Jordana i Khalaf no manontany: “Ahoana moa no ahafahan'ny praiminisitra nitondra fiakaram-bidin-javatra mihoatra ny 10% nandritra ny fotoana nitondrany, nampihisatra ny fitomboan-karena, tsy nahombiazana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ary tsy afa-nanatontosa tetikasam-panjakana lehibe mihitsy no mbola ho afa-manaporofo ny fahamendrehany?”

Barbada: tafiotran-toe-karena

“Tsy isalasalana fa ny fiakaran'ny vidin-javatra no hibahan-toerana mandritra ny herinandro vitsivitsy sy ho am-bolana vitsivitsy ho avy io manerana ny firenena,” hoy i Barbados Underground,  (Barbada ambanin'ny tany) raha miresaka momba ny fanamby miandry ny toe-karenan'ny nosy izy.

Shina: Mpampianatra amerikana voadaroka

Nosoratan'i Tia an'i Hunan ao amin'ny Zhuzhouwang ny mikasika ilay mpampianatra Amerikana nodarohan'ny mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa[zh] teo an-tokotanin'ny Carrefour tany amin'ny distrikan'i Hunan Zhuzhou tamin'ny 20 avrily. Manana ny avaovao farany i Shanghaiist.

Afrika Atsimo: Loka webby

“Nahazo ny lokam-pankasitrahana Webby mifanila amin'i (CNN, CBS News, The New Yorker, CNBC, The New York Times, TIME ary ny the Observer Media Group) i Thought Leader (mpitari-tsaina). Mametraka ny Thought Leader ho ao anatin'ny bolongam-politika 15 be mpamaky indrindra manerantany izany ary mametraka azy ho hany tokana avy eto Afrika amin'ny sokajy misy azy,” hoy ny tatitry Vincent Maher.

Shina: Ny Carrefour no mahazo vahana

Mananihany i Huge fa ny Carrefour ihany no mahazo vahana amin'ity fitadiavana ankivy ity [zh].

1. dokambarotra tsy andoavambola;

2. Fantatry ny maro teo no ho eo fa hay marika frantsay hay io;

3. Hahazony fon'ny saranga antonony somary ambany ny fanaovany fampihenambidy amin'izao fiakaran'ny vidin-javatra izao.

Timor atsinanana: Ny fiverenan'ny filoha an-tanindrazana

Ny gazety repoblika Xanana no mitantara ny nandraisan'ny vahoaka ny filoha Timor atsinanana rehefa niverina an-tanindrazana. Ny mpanatrika iray moa no nilaza ny filoha ho “malezo nefa henjana.”

Iràka: Mitohy ny ady eo amin'ny andian'olomaro sy ny fanjakana

“Mitohy ny ady eo amin'ny andian-jiolahy (fomba filazany azy io raha mpiady anaty akato kosa amin'ny fiteny hafa) sy ny fanjakana, ary mbola ho ela no ahataperan'izany. Mitohy ihany koa ny filazana ampahibemaso avy amin'ny andaniny sy ny ankilany nefa tsy misy mampanantena vahaolana diplaomatika amin'ity raharaha ity hamahana ny olana,” izany no tatitry Iraq the Model, momba ny toe-draharaha miseho farany any an-tanindrazany.

RD Kôngô: Fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny herisetra

Ezaka ankapobe hamongorana ny fanolanana anyamin'ny repoblika demokratikan'i Kôngô: “Ny sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy (UNICEF) sy ny hetsika iraisam-pirenena miady amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy fantatra amin'ny anarana V-Day no nametraka fiaraha-miasa vaovao hamongorana ny fanolanana any RDKôngô ary hampanjaka ny rariny ho an'ireo tràn'ity heloka maharikoroko ity.”

Haiti: Ny anton'ny rotaka

Lazain'ny The Haitian Blogger  (mpamaham-bolongana Haisiana) fa “diso toerana (babangoana na hafahafa) ny mandre ny filazan'ny  Amerikana ‘fahombiazana’ tamin'ny rotaka miady hanina any Haiti.”

Vietnam: Androm-pahatsiarovana ny mpanjaka Hung

Ny mpamaham-bolongna Faster than the Fastest (haingana noho ny tena haingana) no manontany: “Fantatry ny Vietnamiana rehetra fa 18 ny isan'ny mpanjaka Hung 18 tao anatin'ny 4000 taonan'ny tantara, Nahoana moa no ao anatin'ny iray andro ihany no ahatsiarovana azy ireo? Fa angaha andro mitovy no “niambohoan” izy rehetra?”

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.