Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2008
Haiti: ny faneken'i Powell
Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny’ fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”
Barbada, Trinite sy Tôbagô: Dokambarotra ratsy
Satria moa nipongatra indray ny fanafihana mpizahatany tao Tobago, Bajan Global Report no miteny: “fa na toy ny tsy misy dikany io na mampatahotra, dia tsy tokony ho ekentsika velively ny lazan'ny fanafihana mpizahantany. Amin'ny mahavahiny azy ireo eto amin'ny faritra misy antsika, ny adidintsika dia ny miaro ny diany...
Botsoana: Mogae no nandray ny loka Mo Ibrahim
Natolotra ny filohan'i Botsoana teo aloha ny loka Mo Ibrahim: “Mogae izany no faharoa nahazo ity loka malaza fanome isan-taona ity. Ny loka Mo Ibrahim no loka lehibe indrindra manerantany ho an'olo-tokana. Ny loka fisantarana moa dia norombahin'ny filoha teo aloha Mozambikana Joachim Chisano tamin'ny herintaona.”
Tajikistan: Mihintsan-dravina sy ranom-potaka
Namoaka sary roa i Vadim – ka ny iray maneho ny lanitra manga manjopiaka ambonin'i Dushanbe, renivohitry Tajikistan, ary ny iray hafa kosa maneho ny ranom-potaka avoakan'ny hidim-pantsona (rôbine) izay mbola ao Dushanbe ihany.
Rosia: Bolongana LJ ampolony naato fa tafaverina avy eo
Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro – ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka – no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho...
Pakistana: Filohan'ny foko vonoin'ny mpitolona
Chowrangi no mitatitra fa kendren'ny mpikatroka (antoko politika) ny filohan'ny foko maro any Pakistana: “Ny rafi-pandaminan'ny foko mihitsy no kendreny…Vonoiny izay mpitarika foko sy zokiolona ao aminy izay miasa ho an'ny goverinemanta ao an-toerana na mifandrairay amin'ny masoivohona antoko politika any amin'ny faritra misy azy.”
Afrika: ny lalàna 7-n'ny fihavaozana
White African no manoratra ny lalàna 7-n'ny fihavaozana nosoratan'i Ethan : “Namoaka sombin-dahatsoratra nahatalanjona iray hafa indray i Ethan Zuckerman. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny fitondrana zava-baovao eto Afrika no resahiny sy ny fomba nitondrana azy noho ny fahavitsian'ny akora ampiasaina.”
Ginea Bisao: Mihamalaza hatrany ny finday
Jorge Rosmaninho no manoratra ao amin'ny gazety antserasera mpiteny pôrtigey O Patifundio [pt] fa miroborobo fatratra ny finday any Ginea Bisao. “Tsy misy mpampianatra izay tsy mitaraina fa, isaky ny fanombohan'ny lesona, dia mandany folo minitra aloha ny mpianatra miady izay tokony hamahana herinaratra voalohany ny findainy amin'ny prizy (tsaidrianaratra)...
Ghana: Mitory ny vaomieran'ny fifidianana ny kandidà iray
Ampangaina ho nanintsana kandidà ho filoham-pirenena iray ny vaomieran'ny fifidianana any Ghana: “Raha tsy nahafeno ny fepetra rehetra ahafahana mifaninana amin'ny fifidianana amin'ny volana desambra ho avy izao Atoa Dan Lartey mpitondra tenin'ny Antokom-bahoaka lehibe tafaray [Great Consolidated Popular Party (GCPP)], dia mikonokonona ny hametraka fitoriana any amin'ny fitsarana ny...
Angola: Tononkalo ho amin'ny Blog Action Day
Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.