· Janoary, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Janoary, 2008

Isiraely: Lozanao ho anao ihany raha mamaky ianao

  29 Janoary 2008

Shira, avy any Isiraely, no nandefa sarina baiboly misy fampitandremana (hoe “tantara noforonina” ahitana ny karazan'ota rehetra: ny anaty fononteny rehetra dia an'ny mpandika teny, izany hoe karazana tsy mpino angamba no namoaka ny sary satria azo fehezina hoe mahalasa adala ny mamaky azy)

Shina: fitohanan'ny fiaran-dalam-by

  28 Janoary 2008

Noho ny firotsahan'ny ranomandry be loatra any Hunan dia voatohintohina aok'izany ny fifamoivoizan'ny fiaran-dalam-by. Azo jerena ao amin'ny  56.com (zh) ny toe-draharaha ao Guangzhou. Nahazo ny lahatsoratra avy amina mpanao gazety manan-daza iray ny Inmediahk.net, izay nampivoitra fa efa niainana nandritra ny 20 taona farany ity  olan'ny fifamoivoizana eo ampiandrasana ny...

Kyrgyzstan: Mpanjaitra navoaka avy tamin'ny maizina

  28 Janoary 2008

Genderstan no manely ny hazavana azon'ny vehivavy any Kyrgyzstan toy ny voatsindry hazo lena (teo aloha). Tsy mitsahatry ny manjaitra andro aman'alina anaty toerana kely feno milina fanjairana sy vahoaka be ka amidy dolara roa ny singan'akanjo mora vita iray.

Iran: Mifanao bizina amin'i Syria sy Iran i Etazonia

  28 Janoary 2008

 Indro omen'i Ali Mostofi ao amin'ny Iranian.com blog antsika ny rohy amina lahatsoratra iray mikasika ny fifampiraharahana ara-barotra misy eo amin'i Etazonia sy Iran ary Syria.Ampian'ny mpamaham-bolongana moa fa raha nitodika tao amin'ny toe-draharaha anatiny i Etazonia, fa tsy niherikerika ivelan'ny firenena, dia efa ela no nivaha ny olana momba ny Seyyeds[mpitondra fivavahana...

Iran: ivelan'ny Oniversite izay Bahai

  28 Janoary 2008

Shahrahsolh (midika hoe lalambe mankany amin'ny fiadanana), mpamaham-bolongana manaraka fivavahana Bahai, no manoratra fa[Fa] tsy avelan'ny governemanta  hianatra any amin'ny Oniversite izay mpianatra Bahai rehetra any Iran. Ampian'ny mpamaham-bolongana aza moa fa kendren'ny governemanta mihitsy izay haha-anjorom-bala kokoa hatrany izay Bahai any amin'ny fiaraha-monina any.

Honduras: Iharana sy vavolombelona famonoana olona

  28 Janoary 2008

Mbola lohahevitra mafotaka any Honduras amin'izao fotoana izao ny resaka famonoana olona (na heloka bevava), vao nisy mpamaham-bolongana roa indray manko no tratran'ny fanafihana ary nahita maso ihany koa ny fandrobana nampihoro-koditra. Aaron Ortiz ao amin'ny Pensieve [es] ohatra dia voaroba tany amin'ny faritra heverina ho voaro indrindra amin'ny resaka fandriampahalemana sady...

Costa Rica: Filaharana fiarovana tontolo iainana

  28 Janoary 2008

Filaharana fahadimy manerantany i Costa amin'ny fiarovana na fitsimbinana ny tontolo iainana manerantany nefa voalohany kosa raha any amin'ny Kaontinanta Amerikana, hoy ny tondro fijerena ny fiarovana ny tontolo iainana navoakan'ny Oniversite Yale sy Columbia. Nireharehan'i mpamaham-bolongana ao amin'ny Out of Costa Rica [es] io valin'ny fanadihadiana nijery ny politikan'ny firenena...

Zimbaboe: Vola mety lany daty

  26 Janoary 2008

Zavatra mampihomehy mampalahelo no hitan'i Aaron avy any Sodana ka zarainy amintsika ary izy io dia momba ny krizin'ny vola mitranga any Zimbabwe: “Tsy afa-milaza aho tsy mbola nisy toy izay hatramin'izay. Namoaka vola misy soratra manao hoe “best before” izany hoe tsara ampiasaina alohan'ny (toy ny fanafody amin'ny ankapobeny) arahina...

Brezila: Nampihatra ny jadona i USA

  26 Janoary 2008

Nanomboka namoaka andian-dahatsoratra mikendry ny handika ho amin'ny teny paortiogey ny antontan-taratasy ofisialy (an'ny fanjakana) miresaka ny nanohanan'i Etazonia ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 1964  nitranga tany Brezila Luiz Carlos Azenha [pt], Amin'izao fotoana izao moa dia hita ao amin'ny tahirin-kevitry ny Sekoly Ambony momba ny fiarovam-pirenena George Washington no misy...

Brezila: feno 24 taona ny hetsiky ny mpiasa tsy manan-tany

  26 Janoary 2008

Mankalaza ny faha-24 taona nijoroany ny 24 janoary ny vondron'ny mpiasa Breziliana tsy manan-tany (iasana). Namoaka sary fotsy sy mainty mahafinaritra i João Valente Aguiar [pt] ary manazava azy ho fihetsiketsehan'ny vondron'olona miady ho amina endrika fiaraha-monina hafa. Hetsika izay tratran'ny fampisamborana, fampijaliana, ary hatramin'ny famonoana ho faty matetika aza noho...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary