Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2011

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2011

Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY

Narahin'ireo mpisiokantsera any Madagasikara ary notateriny mivantana ny fanendrena ny Praiministra vaovao. Tamin'ny teny fohy no nanambaran'ny namana Avylavitra fa “Beriziky Omer -n'ny ankolafy Zafy Albert no lany ho Praiministra.”

Madagasikara: Hataka fifidianana malalaka ataon'ny mpiblaogy iray amin'Ingahibe Noely

Amin'ny taratasiny hoan'Ingahibe Noely [fr], izay ao amin'ny blaoginy Toliara tsy miroro ny namana Andriamihaj dia mitanisa ireo vetso sy tsiahy manodidina ny fotoam-pifidianana am-pandriam-pahalemana sy izay mahamanina azy indrindra:

J’aimerais bien vivre de nouvelles choses moi. Je veux vivre les propagandes (ça fait belle lurette). Je voudrais changer les posters de mon mur (pas facebook mais l’autre mur), avoir des stylos, de nouveaux t-shirts. … Bref je veux des élections!

« Maniry ny hiaina zava-baovao aho. Iriko ny hiatrika fampielezan-kevitra (mba efa ela tokoa izay). Iriko mba hovàna amin'izay ity peta-drindrina amin'ny efitranoko ity (tsy ilay karazana rindrina vohikala Facebook no ambarako eto), mba te hahàzo fanomezana penina sy tee-shirt miendrika hafa indray aho … Azonao e, maniry fifidianana aho! »

Madagasikara: doro-trano namotika trano 164 any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin]

Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Azafady no mitatitra ny doro-trano goavana tany Amparihy, Taolagñaro izay namotika trano miisa 164. Izany doro-trano izany no fanindroany goavana tao anatin'ny roatokom-bolana [3 herinandro] monja any amin'ny faritra Anosy. Nanampy trotraka ny afo ny herin'ny rivotra izay tsy nitsaha-nitsioka tamin'iny faritra Atsimo-Atsinanan'i Madagasikara iny.

Hoan'ireo izay vonona hanampy dia misy pejy Aterineto misokatra anangonam-bola hanampiana ireo tra-boina.

Mozambika: Sary tsy fahita matetika, filoham-pirenena eo am-pandihizana

Nahoraka sy nieli-patrana vetivety monja anivon'ny serasera Facebook any Mozambika ny sarin'ny filoham-pirenena Mozambikana Guebuza eo am-pandihizana, hany ka tafahoatry ny 500 ireo mpankasitraka ary maherin'ny 440 kosa ireo hafatra naterak'izany izany sary izany. I Miguel Mangueze, izay mpakasarin-gajety @ Verdade no naka izany sary tsy fahita matetika izany.

Tany Madagasikara ve no nipoiran'ny Filozôfia arahin'ny “Idongío i Wall Street”?

Dan Berrett no mandahatra ao amin'ny gazety ‘Chronicle of Higher Education’ fa:

Occupy Wall Street's most defining characteristics—its decentralized nature and its intensive process of participatory, consensus-based decision-making—are rooted in other precincts of academe and activism: in the scholarship of anarchism and, specifically, in an ethnography of central Madagascar […]

« Ireo marimarika izay tena azo amaritana ny hetsika fanoherana “Idongío i Wall Street” [na ‘Occupy Wall Street’] izany hoe ny tsy fananany ivotoerana (na foibe), sy ny fandraisan'ny tsirairay anjara mavitrika amin'ny fanapahan-kevitra, ary ny fitadiavana marimaritra iraisana amin'izay fanapahan-kevitra iombonana rehetra, dia manana fototra hafa ankoatr'ireo mahazatra izay mety alehan'ny eritreritra avy hatrany toy ny tontolon'ny Anjerimanontolo [Oniversite] sy ny tontolon'ireo mpivoy isan-karazany : ny famaritan'ireo mpandinika ny hetsika Anarsima indrindra fa ireo vokatry ny fandinihana izay fomban'ny mponina any ivontanin'i Madagasikara […] »

The process is what scholars of anarchism call “direct action.” For example, instead of petitioning the government to build a well, members of a community might simply build it themselves. It is an example of anarchism's philosophy, or what Mr. Graeber describes as “democracy without a government.”

« Izany fomba fanao izany dia ny “hetsika avy hatrany” araky ny iantsoan'ireo mpandinika ny hetsika Anarsima azy (famaritana ny Anarsima dia fitsipahana izay rafi-pahefana mety hisy eo anivon'ny fiaraha-monina, izany hoe ‘tsy misy izay mpitondra sy vahoaka entina intsony’ satria ‘mitovy’ daholo). Ohatra raha misy izay ilana vòvo [lava-drano fatsakana] dia tsy mandalo amin'ny fanaovana fangatahana amin'ny isan'ambaratongan'ny fitondrana intsony ireo mpiray tanàna fa tonga dia miara-mientana sy mandray andraikitra ary mihady izany vòvo ilain-dry zareo izany. Ohatra entina anazavana ny Filôzofia Anarsima io ohatra iray io, izany ilay ampitondrain'i Graeber anarana hoe “demokrasia tsy idiran'izay governemanta” »