Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Avrily, 2010

Madagasikara: Fanonganam-panjakana misesisesy rehefa mihamanakaiky ny fifampiraharahana

Taorian'ny fanesorana tamin'ny toerany ny minisitry ny foloalindahy tamin'ny 7 Avril noho ny fiampangana azy ho nikasa hanongam-panjakana, manontany i  Achille52 hoe inona indray ny dikan'ity filazana ho nisiana fanonganam-panjakana hafa ny andron'ny 18 avrily ity sy ny fisamborana maro nanaraka azy (fr).  Ny mampiahiahy azy indrindra dia ny fotoana fisian'ny fisamborana fa mitranga hatrany izany rehefa mialoha ny fanelanelanana iraisam-pirenena ahitana an-dRajoelina sy ny filoha teo aloha Ravalomanana izay heverina hitohy any Johannesburg.

Libanona: Fielezam-baovao any amin'ny tontolo arabo

“Nihorohoro tamin'ny fanjakazakana tokan'ny teknolojia tandrefana ny Arabo tamin'ny 1991 (tifitra tsara kendry nasehon'ny CNN ohatra nefa tsy nampiseho ny fahavoazana mihatra amin'ny sivily tratran'izany)… Tamin'ny 2003 kosa dia nahazo ny fantsom-baovao iray amin'ny 32 hafa azo amin'ny zana-bolana Al Jazeera ny tontolo Arabo/Silamo hitatitra momba ny ady…Nampatahotra ny sivilizasiona tandrefana izany fandresena eo amin'ny famoaham-baovao izany…” hoy ny nosoratan'i Adonis49 niresaka momba ny fivoaran'ny fampielezana sy ny firoboroboan'ny vaovao any amin'ny tontolo Arabo.

Moussa Bashir

Rwanda: nampiato gazety

Nametraka rohy amina tantara vitsivitsy mahaliana avy any RD Kôngô i Jason : “* Nampiato gazety roa mpitsikera tsy hivoaka mandritra ny enim-bolana i Rwanda, izany hoe tsy afa-mitatitra ny fizotran'ny fampielezan-kevitra ireo – Tsy faly i Texas in Africa. * Resadresaka tsara dia tsara nifanaovana tamin'ny mpikamabana ao amin'ny Akademia Kongoley Jean Omasombo hita ao amin'ny La Libre Belgique miresaka momba ny ho avin'ny demaokrasia any Kôngô sy ny fitsinjaram-pahefana.”