Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Marsa, 2012
Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga
Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera [na twitter] kosa no nanambaran'ny Masoivoho Frantsay Jean-Marc Châtaigner fa ireo rakitra ireo dia efa misokatra malalaka hoan'izay mpikaroka tsy an-kanavaka.
Madagasikara : fitoriana ny fahantrana lavareny
Rivonala Razafison no nitatitra tamin'ny vohikalam-baovao “Africa Review” fa
Scores of Madagascar capital Antananarivo residents Wednesday wore black clothes to denounce poverty in the country.
Ho fanampin'izany dia nambarany fa karazana hetsika fanoherana folo mahery no tsikaritra tany Madagasikara hatramin'ny volana Janoary.
Ny fanoherana farany sady tsy mbola nifarana tanteraka dia nataon'ireo manam-boninahitry ny CAPSAT, izay rezimanta manana andraikitra tamin'ny fiakaran'ny fahefana [ndT: tetezamita] ankehitriny eo amin'ny fitondrana.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...