Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Septambra, 2007
Egypta: Inona moa ny antony anohanan’ny arabo an’i Bin Laden?
I Big Pharaoh ( Egypta) no manoratra ny antony hanohanan’ny arabo an’I Ben Laden eny fa na dia manao izay tratran'ny heriny hisamborana azy i Etazonia. Raha manontany tera-tany arabo ianao, na iza izany na iza, hoe satrinao ve ho Ben Laden no ho mpitondra anao? azo heverina marimarina fa ho tsia ny valiny; ka raha manontany indray ianao hoe tianao ho samborin’ny Etazonia ary ve izy? ho tsia ihany koa ny valiny: tsy misy maniry azy ho voasambotry Etazonia na dia tsy mankatoa ny ataony aza ny ankamaroany.
Madagasikara: Niverina i Rossy
Niverina i Rossy
Manoratra i Harinjaka fa i Rossy, mitondra koa ny anarana Paul-Bert Rahasimanana, azo lazaina fa isan'ny mpanao mozika Malagasy malaza indrindra, dia niverina any amin'ny tany niaviany, izay nilaozany ho any Frantsa taorian'ny fifidianana 2002 izay nisy fifandifirana nahery setra. Misy videon'ny hiran'i Rossy farany koa natorak'i Hari.
Jennifer Brea
Jamaika: Fananjahana mivadika
Mitoraka bilaogy momba ny antsoiny hoe “fananjahana mivadika” i Marlon James, ary koa momba ny antony noheveriny fa nilainy ny nandao an'i Jamaika:
“I love my country but I’ve never missed it, perhaps because I have never forgotten the reasons I left.”
“Tiako ny taniko fa tsy nalahelovako mihitsy, angamba satria tsy adinoko mihitsy ny antony nandehanako.”
Janine Mendes-Franco
Kôngô (RDK) : Ny tsy fisian'ny boky vaovao nosoratan'ny mpanoratra mainty hoditra amin'ny teny frantsay
Mitaraina sy mahonena i Alain Mabanckou fa tsy namoaka boky vaovao amin'ny teny frantsay ny mpanoratra mainty hoditra tamin'ity taom-panoratana ity. Soa ihany, ary ifaliana izany, fa misy ho vakiana ny bokin'ny namantsika Maorisianina Ananda Devi, nanoratra ny “Indian tango” (gallimard) sy i Natacha Appanah, Maorisianina ihany koa, nanoratra ny “Le dernier frere” (L'Olivier).
Afrika: Ny mahasarotra an'ny resaka ONG
Manoratra momba ny Kamusi Project i Ethan :
“Evidently, Kamusi has had a conflict with Yale, which hosted the project. According to the Kamusi website, the project “has been ordered to remove all links to the sites that the project has relied on to raise revenue for project maintenance and improvement.”
Mazava fa tsy nifanaraka i Kamusi sy i Yale, izay mampiatrano ilay lahatra asa. Araky ny lazain'ny takelaka Kamusi, dia “nasaina nesorin’ ny rehetra izay tsindry mitondra any amin'ny takelaka nianteheran'ny lahatra asa hahazoana vola mba hitohizan'ny asa sy hanamboarana azy.
Ndesanjo Macha
Guadeloupe: Anjaran’ny tera-tany tsy Amerikana na Eoropeanina amin’izay izao no mitantana ny FMI
Notsikerain’ ny mpanoratra ao amin'ny Blog'ny C.P.N.G ( na ny Vovonana Hanorenana Guadeloupe Vaovao )ny fikasana azo vinanina atsy ho atsy hanendrena Eoropeanina ho Tale Jeneralin'ny F.M.I.: Efa tonga ity ny fotoana, hoy ity mpanoratra, hanendrena Tera-tany avy aminy Afrika,na Azia,na Amerika-Atsimo,na Karaiba hitantana io Foibe io ; Ny Fitantanana ankapobeny, hoy ihany ity mpanoratra,dia tsy maintsy avaozina tanteraka, hitandrovana ny zo sy anjaran'ny Sivilizasionina rehetra ao anatiny.
Jen Brea
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...