Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jolay, 2023
Ary avy eo tsy nisy — ny fomba nanjavonan'ireo antoko politika ao Azerbaijan
Niady ela tao Azerbaijan ny antoko politika mpanohitra, niatrika fisamborana, fanagadrana, olana ara-bola, na fanenjehana ny mpikambana ao aminy, raha tsy hilaza afa-tsy ny sasany.
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Manodidina ny 47.000 ireo miaramila Rosiàna maty nandritra ilay fananiham-bohitra nidadasika tao Okraina
Tao anatin'ny 15 volana monja nisian'ny ady tao Okraina, avo telo heny ireo miaramila rosiàna maty raha miohatra amin'ny an'ireo andian-tafika sôvietika nandritra ny 10 taona tao Afghanistàna
Niara-nijoro tamin'ilay vehivavy mpikatroka ny fitsarana avo indrindra ao Kyrgyzstan ka mamela ny fampiasana ny anaran-dreny
Afa-manampy ny anarany avy amin'ny anaran-dreniny manomboka izao ny olona ao Kyrgyzstan.
Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta
Nandritra ny telo taona farany monja, doro ala goavana efatra no nitranga tao Avaratra sy Atsinanan'i Kazakhstan, izay niteraka fahapotehana ala maherin'ny 100 000 hektara.
D Billions, kalazalahy amin'ny YouTube ao Kyrgyzstan, manomboka ny fitetezam-paritra maneran-tany hanao fampisehoana
Efa tratran'ny D Billions, izay midika hoe tsiky miliara ny tanjony fatra-paniry laza hametraka tsiky eny amin'ny endriky ny olona an'arivony tapitrisa amin'ny alalan'ny lahatsarin'izy ireo ao amin'ny YouTube.
Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka
Hatrany Aostralia ka hatrany Etazonia, sakanan'ny mpandala ny mahazatra ny fampidirana ny tantaran'ny pengoay pelaka any an-tsekoly sy tranomboky.