Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2011

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Novambra, 2011

Madagasikara: Leon'ny Fahatapatapahan'ny Herinjiro ny Mponina

Nandritra ny herinandro lasa teo iny, dia niaina fandrindrana vaovao ny fahatapahan-jiro [fr] izay maharitra eo ho eo amin'ny adiny roa sy sasany ny takariva ary mety hiharatsy aza [fr] izany ny eto Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara.  Mary ny bilaogera no nanambara [fr] ny fiakaran'ny fahasosorana [mg] amin'ny toe-java-misy ankehitriny izay hita taratra amin'ny twitter mivoaka faramparany.

#Madagascar : Miroborobo ireo fivarotam-panafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna

Ny filohan'ny komitim-pirenena miady amin'ny varotra fanafody tsy ara-dalàna (CNLCMIM na comité national de lutte contre le marché illicite de médicaments), Rtoa Baovola Rajaosafara no nanao fananambarana fa:

La sensibilisation des habitants est beaucoup plus importante que l'arrestation des vendeurs illicites de médicaments. Si nous arrêtons les trafiquants aujourd'hui, ils sortiront dans une semaine

« Zava-dehibe kokoa ny ezaka fandresen-dahatra ny vahoaka raha oharina amin'izay fisamborana ireo mpivaro-panafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna. Satria raha voasambotra androany ohatra ireo mpivarotra ireo, afaka herinandro monja izy dia efa tafavoaka »

Ny tsy fahatakaran'ny ankamaroan'ny vahoaka ny vidim-panafody ankehitriny any amin'ireo Farmasía sy Hopitaly no anton'izao firoboroboan'ny varotra fanafody amin’ny sehatra tsy ara-dalàna izao.