Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2014

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2014

Nahazo Fampitandremana Ny Haino Aman-Jery Malagasy Rehetra

Tanora Mpanao gazety misandratra, Heninkaja Rakotomanantsoa, talen'ny famoahana sy tonian'ny fanoratana ao amin'ny fahitalavitra iray eto Antananarivo, Madagasikara no namoaka izao sata manaraka izao.

 Heninkaja

 

Mandroandroatra moa ny toe-draharaha eto Madagasikara hatramin'ny niverenan'ny filoha teo aloha voahongana, Marc Ravalomanana, an-tanindrazana indray. Samy mampiady hevitra na ny fomba nidiran'ny filoha teo aloha an-tanindrazana na ny fomba nakana azy tao amin'ny fonenany teto Antananarivo, Madagasikara.

Voasambotra Sahady Marc Ravalomanana

Vao ora vitsy no nahatongavany teto Madagasikara, dia re izao fa efa voasambotry ny fitondrana amperinasa sahady ity filoha teo aloha ity.
Tampilaminana no nidirany, na dia miendrika fihantsiana ihany aza. Nefa izao fisamborana izao, fisamborana mba hahafahana manohy dinika ve , sa fisamborana vao mainka hamaly ny fihantsiana natao an'ity fitondrana izay efa manomboka maharikivy eny anivon'ny vahoaka ity?

Nisy Nirehitra Tao An-dapa Ambohitsorohitra

Fanamarihana: Ny sary rehetra ato dia nalain'i Avylavitra, ary ampiasaina irery ihany ho an'ny Global Voices

Nisy firehetana nahataitra ny maro tao amin'ny Lapan'ny Fiadidiana ny Repoblika tao Ambohitsorohitra io folakandro io.

DSC_0101

Tamin'ny 04:55mn no niseho ny firehetana izay nahazo ilay cyprès lavabe tazana avy ety ivelany. Tamin'ny 05:08mn no tonga ny mpamono afo rehefa nantsoina ary tamin'ny 05:20 no maty ny afo

DSC_0098
Tsy ny Lapa akory no nirehitra fa trano hazo kely ao anaty fefy, birao nampiasaina ho an'ireo izay nanamboatra ilay Lapa hazo somary ery ambanimbany akaiky Banky Foibe, ary namoiasaina nametrahana tapatapaka hazo tsy miasa intsony.

Hoy ny Jeneraly Ralala Roger, Sekretera Jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika, nitondra ny fanazavana:

Ahiana ho mety avy amin'ny herinaratra, saingy mandeha ny fanadihadiana ny mety ho nahatonga ny firehetana….Tsy mbola misy ny olona notànana.

Ny Brigade de Recherche no nantsoina hanao ny fanadihadiana. Ary tsy misy olona afaka mivezivezy ao anatin'io toerana io hatramin'izay, indrindra moa fa taorian'ity zava-nitranga ity.

 DSC_0100 

Fa tsy ilaozan'izay hisy mpanararaotra ihany koa moa rehefa mitranga ny toy izao. Noho ity firehetana ity tsy naharitra ela fa nalaky voavonjy, dia tsy maro ny mpanao gazety tena afaka nivalampatra nahazo sary. Misy araka izany ireo olona teny amin'ny manodidina (mpiasa) nahazo sary ahitàna ny afo mijoalajoala. Amidin'izy ireny 100.000 Ariary ny sary nalainy

DSC_0103

Raharaha Ravalomanana: Fampitàna Avy Amin'ny Prezidansa (teny Frantsay)

Eto ny fanazavana avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika mikasika ny raharaha Ravalomanana. Amin'ny teny Frantsay izy ity, saingy mbola hatolotra eto ny amin'ny teny Malagasy rehefa avoakan-dry zareo ho an'ny sarambabem-bahoaka “tsy avara-pianarana, tsy mahay mamaky/mahatakatra afa-tsy teny Malagasy”

Tonga eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana

Tonga alina (12/10/2014) teto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Amin'izao ora anoratana izao (13/10/2014  9:54) dia eo ampiomanana handray sy hiresaka amin'ireo mpanao gazety marobe tonga eny amin'ny fonenany eny Faravohitra izy sy ireo mpomba azy. Maro koa ireo olon-tsotra mpanara-dia no tonga eny an-toerana.

Maro ireo karazan'olona tonga manatona eny sy raisiny, toy ireo ray aman-dreny avy amin'ny tanàna niaviany Imerinkasinina, ireo mpitari-pivavahana, sns…