Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jolay, 2010

Jordania: Mpianatra Jordaniana iray voaheloka higadra an-tranomaizina roa taona noho ny IM

Araka ny voalazan'ny Next Web – Middle East, manonona ny vohikala Ammannet, dia voasambotra ny mpianatra Jordaniana iray miofana momba ny solosaina, mitondra ny anarana hoe Imad Al-Ash, nanomboka ny volana Febroary 2010, ary nosazian'ny fitsarana mpiaro ny fiandrianam-pirenena ny 13 Jolay 2010 teo ho tazonina an-tranomaizina mandritry ny roa taona noho ny fiampangana azy ho naniratsira ny mpanjaka tamin'ny fandefasana IM (Hafatra Mailaka) tamin'ny namany:

Ny mailaka voalaza ho nalefan'i Al-Ash dia nahitàna teny izay “naniratsira ireo ambaratonga avo amin'ny fitondrana” (nadika avy amin'ny teny Arabo) fantatry ny hafa amin'ny anarana hoe Mpanjaka Abdullah any Jordana. Anisan'ireo anton'ny fiampangana azy ihany koa ny filazàna fa nandray anjara tamina forums amin'ny aterineto nanehoany ‘hevitra mampisavoritaka mikasika ny ara-pinoana ’ , izay tsy nisy nananàn'ny fitsarana porofo, raha ny nambaran'ny mpisolovava azy.

Araka ny fanambarana nalefan'ny rainy tao amin'ny Ammannet, dia nampijaliana ity mpianatra ity nandritra ireo dimy volana nanaovan'ny Sampandraharahan'ny Fiarovana ny famotorana azy ary noterena hiaiky ireo heloka tsy nataony akory.

Morocco: Lasibatra ny toeram-pivoahana ho an'ny daholobe

Ilay Maraokana mpitoraka blaogy, Big Brother Maroc [Fr] dia mitatitra ny fanelezana (fanolorana) ny  Bitelma [Fr] ( izay adika tsotra amin'ny hoe Toeram-pivoahana), tranonkala iray anasana ny mpitsidika mba handefa ny sarin'izay “toeram-pivoahana ho an'ny daholobe faran'izay maloto eo anivon'ny firenena” ka avondrona araka ny tanàna sy ny adiresy (tobim-piaran-dalamby, trano fisotrona, trano fisakafoanana, Anjerimanontolo, toeram-pivarotana lehibe…) mba ho ezaka “hanerena ny manampahefana sy ireo olon-tsotra tompon'izy ireny hikarakara tsara ny toeram-pidiovana ampiasain'ny daholobe.”