Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2014

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Marsa, 2014

Nolanian'ny Kongresy Breziliana Ny Lalàna Momba Ny Zon'ny Mpisera Aterineto

Lany tao amin'ny Kongresim-pirenenan'i Brezila ihany nony farany ny lalàna Marco Civil ka tokony ho ao amin'ny Antenimieran-doholona indray ny latsa-bato manaraka. Nanjary lohahevitra malaza manerantany tao amin'ny Twitter ny lalàna momba ny zon'ny mpiserasera, taorian'ny fanentanana lehibe natao nandritra ny andron'ny latsa-bato tamin'ny 25 marsa 2014, tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #MarcoCivil sy #EuQueroMarcoCivil (Mila ny Marco Civil aho).

Ny dika ankehitriny [pdf] amin'ilay lalàna dia manamafy ireo fepetra momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto, ny fahalalaham-pitenena sy ny fiainana manokan'ireo mpiserasera.

Minisitry ny Kolontsaina sady mpanao mozika malaza, Gilberto Gil, izay nanao ny fanangonan-tsonia Avaaz “Hoan'ny aterineto maimai-poana sy demaokratika“, nisioka hoe:
 

Nandresy isika! Lany ny lalàna #MarcoCivil !! Hoan'ny habaka tsy mitongilana, fahalalaham-pitenena sy ny fiarovana ny fiainana manokana!

Ho an'i Sir Tim Berners-Lee, izany namorona ny aterineto, 25 taona lasa izay, ity no mety “fanomezana tsara indrindra hoan'ireo mpiserasera Breziliana sy hoan'izao tontolo izao”. Tamin'ny fanambarana fanohanana nivoaka andro mialoha ny latsa-bato, nilaza izy fa ny fandaniana ny lalàna Marco Civil dia “hanampy amin'ny fidirana amin'ny vanim-potoana vaovao – ka ho voaaro amin'ny alalan'ny zo nomerika ny zon'ireo olom-pirenena isaky ny firenena tsirairay ” :

Like the Web, Marco Civil has been built by its users – the groundbreaking, inclusive and participatory process has resulted in a policy that balances the rights and responsibilities of the individuals, governments and corporations who use the Internet. (…)  ultimately the draft Bill reflects the Internet as it should be: an open, neutral and decentralized network, in which users are the engine for collaboration and innovation.

Tahaka ny Habaka, natsangan'ireo mpampiasa azy ny lalàna Marco Civil – zava-baovao, iarahana sy andraisan'ny tsirairay anjara, avy amin'ny politika izay mampifandanja ny zo sy ny andraikitry ny tsirairay, ny govermanta sy ny orinasa izay mampiasa ny Aterineto. (…) ny dika farany tamin'ity lalàna ity dia taratry ny endriky ny aterineto: tambajotra misokatra, tsy mitanila ary voatsinjara, ka ireo mpiserasera ihany no milina amin'ny fiarahamiasa sy ny zava-baovao.

Tsingerintaona Faharoan'ny Fanentanana Kony 2012

5 Marsa 2014 nanamarika ny tsingerintaona faharoan'ny fanentanana KONY 2012:

Two years ago today we started a campaign called KONY 2012. It was an experiment to see if the world was ready to unite and speak out against the horrific and unseen crimes of Joseph Kony and the LRA. The world was.

Together, we made Kony famous and put the issue of LRA violence on the table of popular and political interest. One element of the campaign was calling on culture and policy makers to work in their sphere of influence to stand up for Kony’s child soldiers. You led our leaders to take action that resulted in tangible results. As part of our celebrations, we’ve decided to thank the politicians that gave a gift to justice through their support of KONY 2012.

Roa taona androany izahay no nanomboka ny fanentanana antsoina hoe KONY 2012. Traikefa ho anay iny ijerena raha vonona ny hivondrona sy hiteny mafy hanohitra ny heloka bevava mampihoron-koditra sy tsy hitan'ny besinimaro ataon'i Joseph Kony sy ny LRA izao tontolo izao. Vonona izy.

Niaraka isika nampalaza an'i Kony sy nametraka ny herisetran'ny LRA teo amin'ny latabatry ny fahalianam-bahoaka sy ny politika. Singa iray amin'ny fanentanana ny fiantsoana ireo mpanapa-kevitra ara-kolontsaina sy ara-politika hiasa any amin'ny sehatra ananany ambaindainy hijoro ho an'ireo kilonga miaramilan'i Kony. Nitarika ny mpitondra antsika ianareo handray andraikitra izay niafara tamin'ny vokatra mivaingana. Ao anatin'ny fankalazana ataonay, dia nanapa-kevitra izahay hisaotra ny mpanao politika izay nanolotra fanomezana ho an'ny fitsarana tamin'ny alalan'ny fanohanan-dry zareo ny KONY 2012.