Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2014

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Mey, 2014

“Ahoana no handoavantsika Malagasy ny fitaovam-pianarana, fitafiana ary fanafody ho an'ny ankizy ?”

Tojo Fehizoro, Malagasy mpibilaogy iray, namoaka sombin-taratasy (netezana avy amin'ny gazety malagasy iray teto an-tanindrazana) mamehy ny fandaniana kely indrindra ho an'ny ankohonana malagasy iray misy olona efatra ka ankizy ny roa amin'izy ireo, 10 taona sy 7 taona avy. Avoakan'ilay sombin-taratasy lisitra ny fandaniana sy ny anton'izany tsirairay [mg] ary ny fitambaran'ny karaman'ny ray aman-dreny:
 
The budget of a  family of 4 in Madagascar - with permission

Tetibolan'ny fianakaviana misy olona efatra eto Madagasikara – nahazoana alalana

Fidiram-bola Isam-bolana 

  • Karama isam-bolan'ny ray : 78 USD/volana
  • Karama isam-bolan'ny reny : 72 USD/volana
  • Totaliny : 150 USD 

Fandaniana Isam-bolana

  • Sarandalana (bus ho an'ny efatra) : 34.3 USD
  • Sakafo maraina (ho an'ny efatra): 16 USD 
  • Sakafo atoandro (ho an'ny efatra): 51 USD 
  • Sakafo hariva (ho an'ny efatra): 21 USD 
  • Sakafo maivana ho an'ny ankizy : 4 USD 
  • Hofantrano : 30 USD
  • Jiro sy Rano : 13 USD 
  • saram-Pianarana : 21 USD 
  • Arina : 6 USD 
  • Savony :  1.5 USD 
  • Sira : 0.38 USD
  • Menaka : 2.2 USD
  • Siramamy : 1.03 USD 
  • Totaliny : 233.82 USD 
 
Raha jerena ny zavamisy etsy ambony, dia nanontany avy eo i Tojo hoe ahoana no handoavana ny fitaovam-pianarana, fitafiana sy fanafody ho an'ny ankizy.  
* ny famadihana ny vola Malagasy Ariary ho Dolara US dia 1.000 MGA = 0,42 USD  (ny sandam-pifanakalozana dia azonao jerena ato)

Tranga Mampihoron-Koditra Noho ny Adi-tany Ao Andranondambo, Madagasikara

Nitatitra ny L'Express Mada fa potika ny tanànan'Andranondambo ao atsimon'i Madagasikara [fr] nandritra ny adim-pokonolona niainga tamin'ny adi-tany. Nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 mey, tsy nisy tafavoaka velona tamin'ny ady an-trano ny mponina ao an-tanàna ambanivohitra. Nampatsiahy [fr] ny iray amin'ireo zandary :

A notre arrivée, un chien errant était en train de dévorer un bras arraché d’ un corps. Dans une maison anéantie par les flammes, nous avons mis la main sur une dépouille. L’air était irrespirable [..] Même l’école publique et l’église d’Andranondambo ont été ravagées. Les toitures en tôle ont été arrachées avec tous les mobiliers.

Tamin'ny fahatongavanay dia nisy alika mirenireny teo am-pihinanana sandry iray tafala tamin'ny vatabeny. Tao amin'ny trano iray ravan'ny afo, dia mbola nahitanay vatana mangatsiaka. Tsy azo niainana ny fofona. Potika avokoa na ny sekolim-panjakana na ny fiangonana ao Andranondambo. Nisy nanongotra niaraka tamin'ny fanaka ny tafo fanitso.

Tamin'ny taona 1991 no nanomboka ny adi-tany rehefa nahitana safira sy mica betsaka tao Andranondambo. Nanosika ny mponina tao an-toerana hifindra tany amin'ny tanàna hafa antsoina hoe Ambatotsivala ny fanosehan'ny mpitrandraka harena an-kibon'ny tany. Nanomboka teo dia tsy nifankahazo noho io resaka fananan-tany io ny tanàna roa voatonona etoana saingy tsy mbola nahatratra ny vaikan'ny herisetra tahaka ny amin'izao fotoana izao.