Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Avrily, 2011
Madagasikara: Dia Eto Indray Isika Amin'ny Fanaovana Gaboraraka Ny Tany, Tsy Misy Mandraharaha
Mitatitra ny Tananews fa ny governemanta ao Madagasikara dia mampanofa tany mandritra ny 50 taona na mihoatra amin'ny sanda tena ambany dia ambany $15 ny metatra toradroa isan-taona(fr) aminà mpandraharaha ara-pambolena Indiana (loharano: IndiaTimes). Manontany tena ilay bilaogy ny amin'ny antony nahatonga ny tantara toy izany tsy mahataitra intsony na eo amin'ny firenena na any ivelany tahaka ilay iray hafa nalaza be, fampanofana tany saika hataon'ny Daewoo tamin'ny 2008 izay isan'ny nahatonga ny filoha teo aloha Ravalomanana niongana .
Madagasikara: Endrika sy habe samihafan'ny sivana
Ny mpamaham-bolongana Achille52 no mamahavaha ny zavamisy iainan'ny fampahalalam-baovao sy ny fahalalaham-pitenenana eto Madagasikara (fr), izay amoahany amin'ny antsipiriany ny fomba anelingelenana isankarazany ny mpamaham-bolongana (izay efa nohazavain'ny tatitry ny Amnesty International ihany koa). Nambarany ihany koa fa nakatony tsy ho hitan'ny olona ny bolongany rehefa nisy manamboninahitra polisy nilaza taminy fa misy olona mikaroka ny adiresiny taorian'ny namoahany an-dahatsoratra ireo olona vitsivitsy tafiditra anaty raharaha maizina maro isan-karazany.
Rosia: Saripikan'i Moskoa, nanodidina ny taona 1931
Mpisera LJ nikolas11 no mizara [ru] sary vitsy mpanana ahitana an'i Moskoa nanodidina ny taona 1931 nopihan'i Branson DeCou, Mpivezivezin'ny taonjato XX sy mpaka sary. Sary nolokoina tanana mamelatra ny renivohitra Rosiana roa taona taorian'ny “Fiolahana Lehibe” ary nialoha ny nandravan'ny Bolshevika ny fiangonana maro tao Moskoa.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...