Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Avrily, 2019

Sambany hisy vehivavy hitarika oniversite eo amin'ny tantaran'ny firenena mozambikana

Emília Nhalevilo, lehiben'ny Oniversiten'i Púnguè. Saripikan'i Emília Nhalevilo, nahazoana alalana.

Tamin'ny volana Martsa 2019, nandray ny asany ho lehiben'ny Oniversite Púnguè izay vao naorina vao haingana ilay mpampianatra Mozambikana, Emília Nhalevilo ka nahatonga azy ho vehivavy voalohany hitarika  oniversitem-panjakana ao amin'ity firenena Afrikana ity.

Ny filoha Filipe Nyusi no nanendry azy saingy nambara tamin'ny Filankevitry ny Minisitra tamin'ny 29 Janoary ny fanapahan-kevitra momba ny fanokafana vao haingana ity oniversite ity. Hanatontosa ny asany mandritra ny efa-taona i Nhalevilo araka ny fitsipika, .

Teraka tao Nampula, faritany be mponina indrindra ao Mozambika i Nhalevilo ary nahazo diplaoma doktorà sy mari-pahaizana maîtrise momba ny fanabeazana avy amin'ny Oniversiten'i Perth, Aostralia, ary nahazo mari-pahaizana lisansa momba ny siansa avy amin'ny Oniversite Pedagojika (UP).

Niasa ho mpampianatra tao amin'ny Oniversiten'ny Teknolojia ao Curtin, any Aostralia izy nanomboka tamin'ny taona 2005 ka hatramin'ny taona 2007. Tamin'ny taona 2008, Nhalevilo no lasa lehiben'ny departemantan'ny shimia tao amin'ny UP, ary avy eo nandray ny asany ho tale lefitry ny Ivontoerana ho an'ny Fanabeazana sy ny Etnosiansa Mozambikana izay foibem-pikarohana iray ao amin'io ivontoerana io ihany izy.

Mpikambana tao amin'ny Fandaharanasa Fulbright Visiting Scholar tao amin'ny Sekoly Steinhardt ho an'ny Kolontsaina, Fanabeazana ary ny Fampandrosoana ny Maha-olombelona ao amin'ny Oniversiten'i New York, any Etazonia izy tamin'ny taona 2017.

Nhalevilo no filoha lefitra ho an'ny fikarohana sy fanitarana ny UP nanomboka hatramin'ny taona 2018.

Mitovy amin'ny an'ny minisitra any Mozambika ny toerany ankehitriny amin'ny maha-lehiben'ny oniversitem-panjakana azy.

Nilaza i Eliana Nzualo , mpikatroka sady bilaogera feminisita fa fotoana manan-tantara ny fanendrena an'i Nhalevilo:

UM DIA NA HISTÓRIA

Professora Doutora Emília Nhalevilo é a primeira mulher na liderança de uma Universidade Pública em Moçambique. Parabéns à Magnífica Reitora!

Por mais mulheres nas Universidades,
Por mais mulheres na liderança!

ANDRO MANAN-TANTARA

Profesora Emília Nhalevilo no vehivavy voalohany hitarika Oniversitem-panjakana ao Mozambika.

Arahabaina ry Rektora Mamirapiratra !

Ho amin'ny vehivavy maro any amin'ny Oniversite,

Ho amin'ny vehivavy maro eo amin'ny fitarihana!

Any Mozambika, mbola miatrika fanamby ny vehivavy amin'ny fidirana amin'ny toerana ho mpitarika na amin'ny fitantanana. Saingy nisy ny fivoarana: tao amin'ny parlemanta amin'izao fotoana izao, ohatra, vehivavy avokoa ny filohan'ny antenimiera sy ny lehiben'ny mpikambana politika lehibe indrindra miisa roa.

Saingy mbola hita any amin'ny firenena Afrikana atsimo ny tsy fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy.

Nanambara ny tatitry ny PNUD 2016 momba ny Fampandrosoana ny Maha-Olombelona aty Afrika, izay mitondra ny lohateny hoe “Fanafainganana ny Fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ny Fampivoarana ny Vehivavy aty Afrika,” fa mbola mijaly noho ny tsy fitoviana ireo vehivavy sy tovovavy Mozambikana, toy ny tsy fahafahana miditra amin'ny fitsarana, ny tsy fahafahana miditra amin'ny sekoly sy ny fikarakarana ara-pahasalamana ary ny fisian'ny herisetra miverimberina.

Tamin'ny taona 2018, nisy tranganà herisetra an-tokantrano miisa 25.356 tao Mozambika, izay 12.500 tamin'ireo no natao tamin'ny vehivavy ary 9.000 tamin'ny ankizy.

Laharana faha-10 manerantany i Mozambika amin'ny fampanambadiana ankizy, araka ny tatitra nataon'ny UNICEF tamin'ny taona 2015. Faritan'ny fikambanana ho misy ny “fampanambadiana ankizy” raha misy latsaky ny 18 taona farafahakeliny ny iray amin'ny hivady.

Tamin'ny tapaky ny taona 2018, ilay mpanamory fiaramanidina Admira António no vehivavy voalohany kapiteny nanamory fiaramanidina tao Mozambika, raha tamin'ny volana Desambra 2018 kosa no nisy ekipanà fiaramanidina izay vehivavy avokoa nisidina voalohany teny an'habakabaka.

Tamin'ny taona 2014, raha feno 39 taona ny Polisy ao amin'ny Repoblikan'i Mozambika dia  i Arsenia Massingue no vehivavy notendrena jeneraly voalohany tao amin'izany sampan-draharaha izany.

Hitsidika an'i Mozambika mandritra ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana amin'ny volana Septambra ny Papa Fransoà

Papa Francisco | Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0)

Papa Francisco | Gabriel Trujillo – Lisansa-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0)

Hitsidika an'i Mozambika amin'ny volana Septambra 2019 ny Papa Fransoà, herinandro vitsy monja mialoha ny fifidianana izay ho filoham-pirenena vaovao, ho mpikambana ao amin'ny Antenimiera Repoblikana ary ny ho governoran'ny faritra .

Nasain'ny filoha Mozambikana Filipe Nyusi ny Papa tamin'ny volana Septambra 2018. Nambara ity fitsidihana ity araka ny nohamafisina ny 26 Martsa teo nandritra ny lanonana manetriketrika izay nahitana ny sampana avy amin'ny Fiangonana Katolika ao amin'ny firenena.

Nilaza ny filoha Nyusi fa hanampy amin'ny fanamafisana ireo dinika fandriampahalemana miaraka amin'ny antoko mpanohitra RENAMO, izay nanatsahatra ny fifandonana ara-tafika tamin'ny governemanta tamin'ny taona 2017 ny fitsidihan'ny Papa, mbola ao anatin'ny fihenjanana tanteraka izany dingana izany. Nanampy izy fa izany koa no fotoana handinihana momba ny fifandonana amin'ireo vondrona milisy mihetsika any avaratry ny firenena, indrindra any amin'ny faritanin'i Cabo Delgado.

I Joany Paoly faharoa no Papa farany nitsidika an'i Mozambika tamin'ny volana Septambra 1988.

Efa nandrasana hatramin'ny tapaky ny volana Febroary ny fanamafisana ny fitsidihan'ny Papa. Hikarakara ny fifidianana amin'ity volana Oktobra ity i Mozambika ary mbola ao anatin'ny fanarenana ny faharavana tamin'ny Rivodoza Idai izy, izay nahafatesan'olona miisa 500 ary olona mihoatra ny iray tapitrisa no tsy manan-kialofana. Naneho ny firaisankina tamin'ireo niharam-boina ny Papa:

I express my pain and my solidarity with the beloved peoples of Mozambique, Zimbabwe, and Malawi, hit by Cyclone Idai. I entrust the countless victims and their families to the mercy of God.

Maneho ny hirifiriko sy ny firaisankinako amin'ireo vahoaka malala any Mozambika, Zimbaboe ary Malawi aho, izay nandalovan'ny Rivodoza Idai. Ankiniko ho amin'ny famindram-pon'Andriamanitra ireo tra-boina tsy hita isa sy ny fianakaviany.

Ny loza vokatry ny rivodoza, izay efa nosokajiana ho iray amin'ireo ratsy indrindra namely ny Ila Bolantany Atsimo, dia namely ny tanàndehiben'i Beira ao afovoan'i Mozambika tamin'ny 14 Martsa, ary avy eo namely ireo firenena mpifanolo-bodirindrina ao Zimbaboe sy Malawi. Maherin'ny 300 ireo olona maty tany amin'ireo firenena roa ireo.

Nijanona tao anatin'ny hamehana ny firenena nanomboka teo, izay nitarika ny governemanta hamerina hijery indray ny kalandriem-pifidianana sy hanemotra ny fe-potoana fisoratana anarana.

Tao anatin'ny loza nitranga, mbola niezaka nanazava ny fomba hamonjena sy hanomezana toeram-pialofana ireo olona an-jatony taorian'ny Rivodoza Idai ny governemanta. Nanao fanambaràna MIVANTANA tao amin'ny fahitalavitra ny filoha Nyusi ho an'ny firenena mba hanambara fa hitsidika an'i Mozambika ny Papa amin'ny volana Septambra. Nambara tao anatin'ny fotoana tsy tokony hilazana azy .

Nampametram-panontaniana ny olom-pirenena sasany ny zava-misy fa hatao fotoana fohy aorian'ny fitsidihan'ny Papa ny fifidianana satria miahiahy ny olona fa mety hisy fiantraikany amin'ny fampielezan-kevitra izany:

Mazava fa hanohana an'i Frelimo sy Filipe Nyusi ny fitsidihan'i Papa François amin'ny volana Septambra. Hahazoana tombontsoa ara-politika na mivantana na tsy mivantana ny fitsidihana. Tsara kokoa raha nahemotra amin'ny volana Novambra izany, izany hoe aorian'ny fifanjevoana amin'ny fifidianana ankapobeny izay atao ny 15 Oktobra.