Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Oktobra, 2013
Oktoberfest(Fetin'ny Labiera) Ao Lomé, Togo
Ny volana oktobra mazàna dia fankalazana ny fetin'ny Labiera any Alemana. Ary efa miha lasa fomba fanaon'ny mponina ao Togo tsikelikely koa izany. LoveJoyce Amavi, bilaogera iray ao Lomé, renivohitr'i Togo, dia nanameloka ny faharatsian'izany fankalazana izany ao amin'ny tanànany. Nanoratra izy ao anatin'ny “L‘âge de la bière” (taonan'i Labiera) [fr] hoe :
Si en Allemagne, pays inventeur, ou tout au moins, grand producteur de bière, la fête de la bière (die Oktoberfest), est cette rencontre coutumière, conviviale, cordiale, chez nous, l’excès suprême d’alcool, et les débordements nuisibles, sont le lot de chaque année [..] D’imaginer près de 100.000 jeunes, à la fête de la bière, et à peine 300, au forum de l’emploi des jeunes, est une blessure profonde.
Any Alemana, mpamorona azy sady mpamokatra Labiera be indrindra, ny Oktoberfest dia fomba fanao mahazatra hiangonan'ny mponina hifaliana am-pilaminana. Kanefa eto amintsika isan-taona, fotoana ho an'ireo mpimamo hanaovana fihetsika mahaletra ny fahalalahan'ny fahazoana mandray zava-pisotro misy alikaola [..] Mampalahelo be ahy ny fahitàna ireo tanora 100 000 mamonjy ilay fetin'ny Labiera sy ny fahitàna fa eo amin'ny 300 eo ihany ireo tonga mamonjy ireny foara/fetiben'ny asa ireny.
Fitaovana an-tserasera Hijerena Indray Mitopy Maso Ireo Sehatry Ny Kandidà Eto Madagasikara
Nanangana tranonkalam-pampitahana ny programan'asan'ny kandidà tsirairay [fr-mg] ny tranonkala Malagasy Madatsara. Nosokajiana ho sokajy sivy lehibe hanampiana ny olom-pirenena hanana fanapaha-kevita mandritra ny fifidianana ila sehatra. Hanomboka amin'ny 25 oktobra 2013 ny fifidianana filoham-pirenena :
Namotsotra Gadra Politika i Iran
Namotsotra gadra politika maro i Iran tamin'ny Alarobia, isan'izany ilay Iraniana, Nasrin Sotoudeh, mafana fo amin'ny zon'olombelona, mpahay lalàna sy nahazo ny Sakharov Prize. Nanoratra ny vadin'i Nasrin “Tonga i Nasrin,…hoy zareo hoe afaka ianao.”
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...