Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jona, 2011
Syria: Voajirika Ny Vohikalan'ny Masoivoho Frantsay
Ny Sabotsy 25 Jona hatramin'ny 3 ora hariva (GMT) raha kely indrindra, dia toa sahala amin'ny voajirika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay ao Syria: na iza na iza nitsidika ny vohikalan'ny masoivoho Frantsay dia nanpidirina avy hatrany tamin'ity vohikala iray hafa ity (http://th3pro.pro/fr/), ka ao, lafihan'ny hiram-pirenena Siriana, no misy hafatra iray amin'ny teny Frantsay sy Arabo manakiana ny “endrika miiban'ny fandraisanareo anjara amin'ny fiokoana hamely amìn'i Syria ary ny hetsika hanoherana ny fantsona F24 noho ny fanelezana vaovao tsy marina momba an'i Syria”. Ny hafatra dia narahana sary avy amin'ireo hetsika nataon'ny mpomba ny governemanta tao Syria [dika sarinà fàfana].
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...