Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Aogositra, 2013
Kolombia: Tongasoa Eto Amin'ny Tanànan'i Medellín
Iray amin'ireo toerana feno zava-mahaliana tamin'izay hitako ny tanànan'i Medellin, tanàna nahaterahako. Tsy izy no toerana tsara indrindra na toerana azo antoka indrindra eto an-tany, nefa tena mahaliana, feno hery ary tena mahafinaritra.
Manoratra momba ny tanànan'i Medellín na “el centro” ao amin'ny Colombia Reports i Adriaan Alsema. Alahany ao ny antony hitiavana sy hankahalana ny tanànan'i Medellín, ary nampiany fa :
tena io fivoarana sy fitomboana hita maso io, ary ny ady tsy mety vita eo amin'ny tsara sy ny ratsy no mahatamana ahy ao. Izany no tena hitiavako ny tanànan'i Medellin, na dia tsy afaka ny hitia ahy aza izy.
Ahitàna sarin-tany azo jerena ihany koa io lahatsoratra io.
Fanangona-Tsonia Hanitsiana Ny Lalàna Vietnamiana Mametra ny Fahafahan'ny Media
Bilaogera efa mihoatra ny 60 no nanao sonia ilay fanambaràna iraisana [en] handritsihana ny governemanta vietnamiana hanatsara ny lafiny zon'olombelona sy ny famitana ny adidiny raha eo ampametrahana ny firotsahany ao amin'ny Filankevitry ny zon'olombelona eo amin'ny Firenena Mikambana izy:
Tokony hijery ny toeran'ny zon'olombelona eo amin'ny fireneny ihany koa ny governemanta vietnamiana. Manan-jo ho afaka maneho hevitra sy malala-pitenenana ny vietnamiana amin'ny lohahevitra rehetra.
Amin'ny maha mpiaro ny fahafahana maneho hevitra anay eto Vietnam sy ny fanitsakitsahana ny zo mahaolona anay noho ny fikatrohanay, dia heverinay fa sehatra hananganana adi-hevitra manorina momba ny zon'olombelona eo amin'ny firenentsika ny filatsahan'i Vietnam ao amin'ny Filankevitry ny Zon'Olombelona.
Naato Ao amin'ny Tambajotra Fanaraha-maso ny Fanadiovam-bola i Madagasikara
Lambo T. no mitatitra [fr] ao amin'ny tranonkalan'ny La Gazette de La Grande Ile fa naato ao amin'ny Vondrom-pitsikilovana Egmont misahana ny fitantanam-bola ny Samifin [mg], sampan-draharaha misahana ny fanadiovana ny sehatry ny fitantanana ara-bola sy miady amin'ny fivezivezen'ny vola miampita sisintany tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ny Egmont dia tambajotra iraisam-pirenena manara-maso ny fanadiovam-bola sy ny fanohanana ara-bola ny fampihorohoroana. Nohazavain'i Lambo T. fa tsy nahavita nandroso lalàna enti-miady amin'ny fampihorohoroana sy ny fikambana-jiolahy iraisampirenena ny fitondrana ankehitriny ka izany no nitarika ny fampiatoana ny Samifin.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...