Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2010

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Septambra, 2010

Porto-Rico: Esheky maty

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.

Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy

Juan Carlos Rivera [es] sy i Hibueras [es] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana tao an-tanànan'i San Pedro Sula. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata roa alina ny isan'ny nandray anjara tamin'ny filaharambe notontosaina tamin'ny 15 Septambra. Namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny nataon'ny polisy tamin'izany moa ny lehilahy.

Madagasikara : notazonin'ny mpitandro filaminana ny mpanadihady iray mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”]

Ny zoma 17 Septambra 2010, ireo blaogy Mongabay [ndlr. mivoy ny fiarovana ny tontolo iainana] [teny Anglisy] sy MyDago [teny Frantsay] dia nitatitra fa ny Alahady 5 Septambra 2010 dia notazonin'ny mpitandro filaminana tany Maroantsetra [ndlr. faritra Analanjirofo, atsinanan'i Madagasikara] ny “mpanao gazety vahiny” iray izay nanadihady mikasika ny fanondranana an-tsokosoko ireo Andramena [hazo “bois de rose”] [teny Frantsay], tsy nambara izay mombamomba izany mpanao gazety vahiny izany.

USA sy Ghanà: Izay mainty fihodirana to-teny indrindra eo anivon'ny serasera “Twitter”

Ny mpiblaogy Abena dia manolotra rohy mitondra any amin'ny lisitr'ireo “mainty fihodirana 100 izay to-teny indrindra eo anivon'ny serasera “Twitter”“. Somary kivy anefa izy raha nahita fa toa anarana faheno amin'ny tontolon'ny fampisehoana avokoa ny ankamaroan'ireo voatonona ao.

Are black men with the most impact on the planet likely to be rappers and sportsmen?

“Dia ireo mpihira rap sy mpanao fanatanjahantena izany no mainty fihodirana to-teny indrindra manerana izao tontolo izao?”

hoy izy manontany.

Shili: Noravan'ny polisy ny famelarana ny saina Mapuche nandritra ny faharoanjato taona

Mizara lahatsary avy amin'olo-tsotra nahitana toa-javatra nitranga nandritra ny  fankalazana ny faharoanjato taonan'ny fahaleovantena i Montserrat Nicolas; Asehon'ny lahatsary ary ny fomba nandravan'ny polisy ny famelarana ny  Saina Mapuche sy ny fisamborana ireo nandray anjara tamin'izany fihetsika saiky hamelatra ny saina Mapuche izany. Naotin'ny mpandika : Ny Mapuche moa no vazimban'i Shili miaraka amin'ny Rapa Nui izay mponina any amin'ny Nosin'i Paska.

Madagasikara: Krizy adinodino

Gregory Simpkins miresadresaka mikasika izay krizy adinodino aty Afrika:

“If you ask most Africa watchers what is the most urgent crisis on the continent, you’ll likely get answers ranging from Sudan to Somalia or even Congo. It is not likely that Madagascar will rise to the top of the list…”

“Raha manontany ny ankamaroan'ireo mpanara-baovaon'i Afrika ianareo hoe iza amin'ireo krizy eo amin'ny kôntinanta no ilàna vahaolana maika, dia angamba sahala amin'i Sodàna na Sômalìa na i Kôngô aza no valinteny ho azonareo. Kely ny fanantenana hoe ho voatònona ao anatin'izany lisitra izany i Madagasikara… “