· Jona, 2008

Tantara tamin'ny Tselatra tamin'ny Jona, 2008

Kenya : Fanampim-baovao avy ami'ny fanampiana olona amin'ny aterineto

  16 Jona 2008

Fanampim-baovao avy amin'ny mpiasa an-tsitra-po ao amin'ny AVIF any Kenya : Vaovao tapatapany avy aty amin'ny Mercy Home hampahafantarana anareo mikasika ny fitsidihana ataonay, ary mba hanehoana fa nanampy sy nanatsara ny fiainan'ireo vehivavy ato amin'ny Mercy Home ny vola fanampiana natolotrareo.

Zimbaboe: Nosamborina ny sekretera jeneralin'ny MDC

  13 Jona 2008

Famoretana ny fanoherana hafa ao Zimbabwe indray: “Nosamborina raha vao nigadona fotsiny ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao Harare ny Sekretera Jeneralin'ny MDC Tendai Biti”: filazana fohy vao azo avy tamin'ny mailaka. Tsy misy na inona na inona fantatra momba azy amin'izao fotoana izao, fa tsy maintsy mampahafantatra anareo haingana araka izay azo atao ihany izahay...

Trinite sy Tobago: Onjam-piovana?

  13 Jona 2008

Inoan'ilay mpamaham-bolongana Trinitita Attillah Springer fa hampivoatra zavatra maro ny onjam-piovana entin'i Barack Obama:  “Onjam-piovana iray tiako handom-baravarana aty amintsika izy ity ka hanaisotra amintsika ny fiesonana sy ny fahabangan'ny fototra politika eto amintsika. Eny indrindra, isika koa afa-manova. Afa-manova ny politikantsika isika.”

Oganda : Famoretana ny fanaovan-gazety

  11 Jona 2008

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina...

Afrika: Tonga ankehitriny ny e-fitondrana

  06 Jona 2008

David Kobia no miady hevitra momba ny e-fitondrana (e-governance) any Afrika: “Heveriko ankehitriny fa azo atao amin'izay ny misaotra ampahibemaso ny mpanao politika any amin'ny tany Afrikana ampahibemaso noho ny nampandamoka ny fampiroboroboana ny serasera an-tarobia(telefôna tsy mihetsika), ka nahatonga ny fanombanana fa hitombo 22% ny mpanjifa amin'ny finday. hahatratra...

Yemen: Diana dinôzôro hita tany akaikin'i Sana'a

  06 Jona 2008

“Tsy mbola nahitana diana dinôzôro mihitsy hatramin'izay tamin'iny Oalan'ny persika iny; saingy tany amin'ny 30km monja avy eo Sana'a, renivohitry Yemen, no nasehon'ny sisan-taolana, ny dia lalina tavela tamin'ny tany, ny dia-na andiana dinôzôro — sauropods – tokony ho 150 000 000 taona eo ho eo,” hoy ny tatitry Omar...

Kiobà: fanoherana tany am-ponja

  06 Jona 2008

Uncommon Sense no namaham-bolongana momba ny fitadiavana hanapenam-bava ny fihetsiketsehan'ny voafonja kendren'ny mpiambina ny fonja any Combindado de Guantánamo  “izay niandoha raha nilofo hampahafantatra ny fihoaram-pefy mitranga any am-ponja tamina mpitolona ho amin'ny zon'olombelona ny gadra politika iray.”

Shina: Iza no tokony isaorana?

  06 Jona 2008

Asehon'ny CCTV (izay marihina fa mandeha amin'ny TVM rehefa vita ny fandaharana tontosain'ny tvm amin'ny alina ka mandra-panombohan'ny fandaharana amin'ny maraina indray)amin'izao tontolo izao ny lahatsary ahitana ny fisaoran'ny traboina izay nataon'ny governemanta. Guo yu hua, mpahay momba ny olombelona kosa milaza fa ny governemanta no tokony hisaotra ny vahoaka...

Armenia : Ny andron’ny ankizy

  02 Jona 2008

Nolazain’i Unzipped (tsy voafintina) fa somary nihilana ho amin’ny lafiny politika kokoa tamin’ity taona ity ny fanamarihana manerantany ny andron’ny ankizy, isaky ny voalohan’ny volana jona, nomarihan'ny fianakavian’ireo mpanohitra notazonina am-ponja omaly (voalohany volana jona)tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana nataony  teo akaikin’ny biraon’ny lehiben’ny fampanoavana sy ny masoivohon’ny Firenena Mikambana tao afovoan-tanànan’...

Ireo pejinay momba an i Tselatra

Lahatsoratra fohy miaty rohy, na sary