Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2017
Shina: Sary Maneho ny Fijalian'ireo “Ankizy 58 Tapitrisa Nilaozana”
Nampisahotaka ny tao amin'ny aterineto ny sarin'ilay zazavavy kely nitondra ilay anadahikeliny mbola zaza tany an-tsekoly tany Shina. Taratry ny olana ara-tsosialy hatry ny ela eo amin'ireo ankizy nilaozan'ireo ray aman-dreniny hiasa any an-drenivohitra izany.
Kyrgyzstan: Nindaosin'ny Fahafatesana Ny Mpanoratra Ary Nampiray Ny Firenena Ny Baolina Kitra
Tany am-piandohan'ny volana Jona, nisaona ny tontolon'ny bilaogy Kyrgyz, rehefa nanjavona ilay mpanoratra Kyrgyz lehibe Tchinguiz Aïtmatov. Saika ny ankamaroan'ireo bilaogera Kyrgyz rehetra no nanome voninahitra tao amin'ny bilaogy ho an'ilay mpanoratra malaza.
India: Ny Ankizivavy Kely Ao Kanchipuram Sy Ireo Sary Hafa
Olona tia maka sary i Keerthivasan [Tamoul] avy any Chennai, maka sary maro saingy iray ihany no nakariny ao amin'ny aterineto.
Arzantina: Nilahatra Ireo Mpianatra Hitakiana Sekoly Manara-penitra Kokoa
Ao amin'ny faritanin'i Rio Negro akaikin'ny tanàndehiben'i General Roca, nangataka ny governemanta mba hanatanteraka ny fampanantenany sy hamaha ny olana misy ao amin'ny sekoly ny mpianatra ao amin'ny lisea laharana faha 106.
Fitsidihana Ireo Bilaogy Libiana
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007) Mitohy indray ny adihevitra tamin'ny herinandro lasa teo tao amin'ny AngloLibyan izay nitondra ny lohahevitra mikasika ireo ankizy Libiana voan'ny SIDA toy ny sampan'ilay adihevitra tamin'ny herinandro lasa nikasika ireo ankizy Libiana voan'ny SIDA. Tamin'ity indray mitoraka ity, nasongadin'ny Anglo Libyan ny fisianà fepetra mitanila sy ny mety hisian'ny fahadisoan'ny fitsaràna avy...
Ny Herinandro Tao Amin'ny Bilaogy Palestiniana: May Izao Tontolo Izao
Raha manatelina an'i Libanona ny lelan'ny ady, mbola mitohy ny fanafihana an'i Gaza. Maro amin'ireo namoy ny ainy no zanaka Palestiniana, ny sasany zara raha herintaona monja, ary satria mikarakara handevina azy ireo ny fianakaviana, mametraka fanontaniana lehibe i Haitham Sabbah hoe: "Ahoana no hanadinoantsika? Ahoana no hamelantsika heloka? "
KarmaTube: Mampiroborobo Ny Fanovana Amin'ny Alalan'ny Fizarana Lahatsary/KarmaTube : Promouvoir le changement par le partage de vidéos
KarmaTube dia sehatra fifampizaràna lahatsary antserasera mba handefasana lahatsary fohy sy ny antony [ araka ny nofaritan'izy ireo] ao amin'ny Habaka. Manolotra anareo ny Skateistan avy any Afghanistan izahay , ny Seeds of Light avy any Afrika Atsimo, ary ny Barrios de Paz avy any Ekoadaoro amin'ny alàlan'ny KarmaTube.
Kurdistance: Vaovao Farany Momba Ny Tetikasa ONG
Ok, angamba ratsy fipetraka ny lohateny ny lahatsoratra androany, saingy milaza ny tetikasa ONG ireo mpaneho hevitra rehetra... ary hanome rohy fanampiny mikasika ireo tetikasa hafa ONG Kiorda ho anao ihany koa aho.
Tontolon'ny Bilaogy Swahili: Madonna, Fanomezana Herinaratra, Mpangalatra Tsy Mahay Mamaky Teny Sy Manoratra
Tontolon'ny Bilaogy miteny Swahili iresahana ny fananganan'i Madonna zaza malawita iray sy ny resaka krizin'herinaratra,mitady hitovy amin'ny eto Madagasikara
Efa Zavamisy Iainan'ny Ankizy ao Ambovombe Ny Faharavan'ny Sivilizasiona
Nilaza ny boky siantifika iray nivoaka tao amin'ny Journal of Ecological Economics fa "hitarika any amin'ny fianjeran'ny fiarahamonina ny fitrandrahana tafahoatra ny Asa na ny Natiora " raha toa ka tsy misy na inona na inona atao hisorohana izany.