Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2015
Efa Matin'ny Bala Va Re Ny Hoavin'ny Tanora Ao Venezoela?
Ao anatin'ny firenena iray toa an'i Venezoela, izay ny vono olona no lohalaharana miteraka fahafatesana ho an'ny tanora eo anelanelan'ny 10 sy 19 taona, fanantenana toa inona no azo andrandrainan'ireo andian-taranaka hoavy ?
Ny Fomba Nahazoan'ny Ankizilahy Iray Mpianatra, “Zanaky”-ny Filohan'ny Tajikistan, Tsolotra Be Dia Be Tamin'ny Olon-tsotra
"Miloka aho fa zanaka mpiasam-panjakana hafa io, satria isika tsy afaka ny hampianatra ireo zanantsika ao amin'io sekoly io mihitsy."
Zazavavy Peroviana Tafody Noho ny Alikany Perla
Raha tsy nahalala ny lalan-kalehany ny zazavavy iray telo taona, dia teo ankilany kosa i Perla ary nanampy ireo polisy tamin'ny fitarihan-dalana hahitana ny tranony.
Mpiasa Mankalaza Ny Fetin'ny Asa Amin'ny Fanatevenana Laharana Ny Fihetsiketsehana an-Dalambe Manerana an'i Azia Atsimo Atsinana
An'arivony ny mpiasa nidina an-dalambe manerana ny faritra ho fitakiana fampisondrotana karama, tombontsoa isan-karazany, ary fanatsarana samihafa eo anatrehan'ny ny fisondrotry ny vidim-piainana.
Nametra-pialàna Ny Filoha Lefitr'i Goatemalà, Mitohy Ny Fihetsiketsehana
Nanao diabe ny olom-pirenena Goatemalteka vao haingana mba hitaky ny fialàn'ny mpitondra ambony ao amin'ny firenena, ary niteraka saina te hifety sy be fanantenana tao amin'ny tambajotra sosialy ny fialàn'i Baldetti.
Nahavotra Tovovavy Chechen Tsy Hanambady Kapiteny 57 Taona Ve Ilay Mpanoratra Gazety? Tsia.
Nitatitra ny RuNet Echo tamin'ny herinandro lasa fa nahavita nanakana tovovavy Chechen 17 taona tsy hanambady kapitenin'ny polisy 57 taona tsy vokatry ny fony ilay mpanoratra gazety tsy miankina Rosiana. Fantatra ankehitriny fa tontosa ihany ilay fanambadiana na dia izany aza.
Ireo Yemenita Sy Ny Zavakanto Anaty Fotoanan'ny Ady
Mampiasa ny zavakantony sy ny fahaizany mamorona mba hamarànana ny ady ao amin'ny fireneny ireo Yemenita, firenena izay ny mahantra indrindra any Afovoany Atsinanana. Ato ny fomba ataon-dry zareo.
Mpihiran'i Turkmenistan Iray Mampiakatra ny Varotry ny Apple
Vao avy nahazo dokambarotra avy amin'ny loharano tsy nampoizina ny iPhone an'ny Apple: dia kintan'ny mozika pop iray ao Turkmenistan mitoka-monina.