Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2011

29 Mey 2011

Meksika: Miara-mihira amin'ny mpianatra nandritra ny fifampitifirana

Niely haingana dia haingana amin'ny firenena mpiteny espaniola ny lahatsary YouTube iray mampiseho mpampianatra garabola iray miara-mihira amin'ny mpianany hampitony ny ankizy nandritra ny fifampitifirana iray tany Monterrey, Meksika.

28 Mey 2011

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy...

Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo

Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika...

24 Mey 2011

Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”

Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Tamin'ity tsingerintaona ity, nisy fanomezam-boninahitra sy hetsika iray natao mba hanentanana ny...

21 Mey 2011

Malezia: Bitsika Momba ny Fihotsahan'ny Tany Tao Amin'ny Fitaizana Zaza Kamboty

Raha sahirana niady hevitra mikasika ny ‘fara andro’ izao tontolo izao, nisaona ny fahalasan'ireo zaza tsy manan-tsiny tao anatina toby fitaizana zaza kamboty manakaiky an'i Kuala Lumpur ireo Maleziana

Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media...

20 Mey 2011

Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana...

11 Mey 2011

Tratry Ny Tazo Bieber i Brunei

Hanao fampisehoana goavana any amin'ny firenena maro ao atsimon'i Azia i Justin Bieber saingy toa adinony kosa i Brunei. Ary izany dia nanosika ireo mpankafy an'i Bieber ao Brunei hampiasa ny aterineto amin'ny alalan'ny twitter, bilaogy, sy youtube mba handresena lahatra ity mpihira ity hitsidika an'i Brunei.

05 Mey 2011

Maraoka : “I love ‘Kech!”

Ny tanàna lehibe ho an'ny fizahantany be mpitsidika indrindra ao Maraoka, i Marrakech, izay niharan'ny famelezana tamin'ny fanapoahana baomba ny Alakamisy teo, tao amin'ny toeram-pisotroana sy fisakafoanana malaza iray, izay ao amin'ny iray amin'ireo toerana feno olona betsaka indrindra, Djemaa el Fna. Olona eninambinifolo no namoy ny ainy, ny hafa kosa...

03 Mey 2011

Maraoka: Maneho Hevitra Momba ny Fanafihana tao Marrakech ireo Mpitoraka Bilaogy

Tratry ny fipoahana baomba i Marrakech, tanàna sangan'ny fizahantany ao Maraoka tamin'ny Talata teo, izay nandrava trano fisakafoana iray tao anatin'ny ora fisakafoanana indrindra, ny Argana, manamorona ny Kianja Jamaa Lefna. Araka ny fanambarana ofisialy dia nahafatesana olona 16 ilay fipoahana ka maro tamin'ireo no vahiny.Ireo mpitoraka bilaogy sy mpiondana...