Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Novambra, 2016
Taorian'ny Namonoan'ny Manamboninahitra iray an'ilay “Mpisetrasetra Fantadaza”, 15 taona , Ny Paikan'ny Polisy Izao no Kendren'ireo Trinidadiana
"Tsy milaza akory aho hoe marina na diso, saingy ialako tsiny raha toa aho TSY maka ny tenin'ireo mpikambana mendri-panajàna ao amin'ny TTPS ho toy ny tenin'ny soratra masina !!"
Kianjan'ny Baolina, Toerana Fakambolontany ho An'ireo Karazana Mpifindra-monina
Milalao baolina fandaka i Lova Rakotomala na dia tsy mahay mihitsy aza. Inona ny antony.
Ireo Mpandresy Tamin'ny Marathon Klasika Andiany Faha-34 Tao Athena
Natao tao Gresy tamin'ny herinandro lasa teo ny Marathon Athena Klasika, ary vitsivitsy ireo mpandresy lehibe.
Mankahatra ny Famoretana ao India, Mitazona ny Vohitra Misy Azy ho Lavitry ny Loza ireo Tanora Kashmiri Mpilatsaka An-tsitrapo
Tamin'ny telo volana lasa, ny polisy ao Jammu sy Kashmir ary ny miaramila Indiana dia nisambotra olona teo amin'ny 7.000 teo tao amin'ny Lohasahan'i Kashmir, amin'ireo hetsika famafàna lehibe sy asa fikarohana izay mikendry ireo trano, matetika amin'ny alina maty masoandro.
Vao 7 Taona, Namoaka ny Bokiny Voalohany Ilay Ankizivavy Afrikana Tatsimo Michelle Nkamankeng
Ny "Miandry onja" dia milaza ny tantaran'ny zazavavy miala sasatra miaraka amin'ny ray aman-dreniny any amoron-dranomasina. Boky voalohany amin'ireo andiany efatra ny boky.
Halloween: Fialambolim-pandevenana Sa Tetidratsin'ny Tandrefana?
Tsy vavivazy voaheloka any amin'ireo faritra sasany ao amin'ny Firaisana Sovietika fahiny akory ny fisalorana sarontavan-devoly.
Mpiari-Tory An'arivony Mitafy Halloween No Mifety Eny Amin'ny Lalamben'i Tokyo
Nitombo ny lazan'ny Halloween tany Japana tao anatin'ny taona maromaro. Tamin'ity taona 2016 ity, betsaka kokoa ny vola nolaniana tao Japana tamin'ny Halloween noho ny tamin'ny andron'ny mpifankatia.
Mahita Fanitsakitsahana Zon'Olombelona Ao Anatin'ilay Volavolan-dalàna Hiarovana ny Ankizy Ireo Shinoa Mpisera Amin'ny Aterineto
Manandrana ny hiaro ireo ankizy ireo volavolan-dalàna vaovao, amin'ny fangatahana ireo orinasa mpanamboatra solosaina mba hametraka rindrambaiko fanarahamaso ao amin'ireo fitaovana, ary amin'ny fanindrahindrana ireo fitsaboana ny "fiankinandoha amin'ny Aterineto."