Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Septambra, 2014
Fotoana Fohy Talohan'Ny Nahafatesany, Nizara Ny Fihetsehampony Tao amin'ny Tedx Talk Momba Ny Tolony Handresena Ny Homamiadana i Lara Khatib , Mpianatra Avy Any Libanona
"Tsy nisafidy ny ho Sara Khatib aho, izay mararin'ny homamiadana sy bory tànana, fa ny hijanona ho Sara Khatib, mpianatra ao amin'ny taona fahaefatra ao amin'ny sampana farmasia [...] tratry ny homamiadana fotsiny izao "
Ao Amin'ny Twitter Sy Fahitalavitra Ary Eny An-Dalambe: Firaisankinan'ny Trinidadiana Amin'i Gaza
Mampiseho ny firaisankinany ho fanohanana ny vahoaka Palestiniana amin'ny fanaovana hetsika anaty sy ivelan'ny aterineto ny vahoaka ao Trinite sy Tobago.
Fa Maninona No Toa Adihevitra Be Ny Ora Fidirana An-tsekoly Amin'ny 9 Ora Maraina Ao Korea Atsimo?
Tamin'ny tapaky ny volana Aogositra, nanapa-kevitra hanemotra adiny iray ny ora fidiran'ny mpianatra ny Farintanin'i Gyeonggi ao Korea Atsimo, mba hahafahan'ireo ankizy hahazo torimaso bebe kokoa. Niteraka adihevitra tao amin'ny firenena ity "rafitra vaovao fidirana tara amin'ny 9 ora" ity
Eorôpeana Latsaky ny 40 Taona ‘Mipetraka Any Amin'ny Firenena Hafa'? :Mihaino Anao Ny ‘Generation E’
Miantso ireo tantaran'ireo tanora Eorôpeana, izay miampita ny sisintany tsy hita maso an'ilay Tanibe fahiny, mba hamorona ny fiainany andavanandro any amin'ny firenena hafa, ny "Generation E".
Jamaika: Tian'ny ‘Nuh Guh Deh’ Ho Lasa Toerana Iray Tsy Anekena Ny Fanararaotana Ara-Pananahana Atao Amin'ny Vehivavy
Mihevitra ny Jamaikàna sasany, indrindra ny lehilahy, fa ekena ny fampiharana ny fampianarana ara-pananahana amin'ny vehivavy dieny izy mbola kely taona. Hifanojo amin'ny Andro Iraisam-Pirenena Ho an'ny Ankizy Vavy ny fanombohan'ny fanentanana.
Niteraka Fahatezerana Ny Volavolan-dalàna “Anti-Selfie” Ao Filipina
Volavolan-dalàna ao Filipina mandràra fakàna sary olona - na sarina manampahefam-panjakana tsy nahazoan-dalana avy amin'izy ireo.
Vondrom-Pianatra Oniversite ao Kyoto Te-Hahita an'i Japan, Shina ary Korea ho ‘Happy’ [Faly-Miadana]
Ratsiratsy hatrany noho ny fifandirana ara-tantara sy adin-tany matetika ny fifandraisana eo amin'ireo firenena telo ireo. Misy ny vondrom-pianatra nanatontosa ny lahatsary 'Happy' ho fampiroboroboana ny hafatry ny finamanana.
Tsy Mahita Toerana Hitadiavam-bonjy Intsony Ireo Lasibatry Ny Herisetra An-tokantrano Ao Bermuda
Voatery nakatona ny toby tokana fampiantranoana ireo lasibatry ny herisetra an-tokantrano ao Bermuda satria tsy misy ny vola hampandehanana azy.
Fanentanana Tao Bhutan, Manome Kiraro Ho An'Ireo An'arivony Mila Izany
Manadio ary manamboatra kiraro efa niasa ilay mpandraharaha Bhutane, Dawa Drakpa, ary mizara izany amin'ireo izay tsy manana fahafahana mividy kiraro tsaratsara. Eo amin'ny 1 isan-jaton'ny mponin'ny firenena no nahazo kiraro.