Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2009
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?
Malawi: Fanatanjahan-tena sy Kamkwanba, ilay tovolahy namokatra angovo avy amin'ny rivotra
Na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy amin'ny ankapobeny dia nisy zava-niseho maro tany Malawi tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izay. Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nanao ady sahala tamin'ny...
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh
Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany

Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices. Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3...