· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Avrily, 2018

Nanamaloka ny andro iraisampirenena ho an'ny zon'ny vehivavy tao Jamaika ny nampihenana ny sazin'ilay pasitera voaheloka ho nanao firaisana ara-nofo tamin'ny zaza tsy ampy taona

Naneho ny tsy fankasitrahany izay heveriny fa sazy maivana ireo mpisera aterineto, ambany lavitra amin'ny 15 taona ambony indrindra amin'ny tranga toy izany ny sazy. Ny fampihenan-tsazy dia avy tamin'ny fanapahan-kevitra navoakan'ny minisiteran'ny fitsarana, mba hanafainganana ny fitsaràna eo amin'ny tribonaly, dia manome sazy fohifohy kokoa amin'ireo izay miaiky heloka.

30 Avrily 2018

Makedonia: Andro fahalalahan'ny rindrambaiko

Ao anatin'ny Andron'ny fahalalahan'ny rindrambaiko manerantany, nikarakara hetsika fanin-telony tao tao afovoan-tanànan'i Skopje ny Free Software Macedonia. Tamin'ny 4 Oktobra, nizara bokikely sy kapila mangilatra ahitana Linux Ubuntu izy ireo, izay nomanina manokana tamin'ity indray mitoraka ity

28 Avrily 2018

Diarin'ny Fiarahamonina: Manabe Olontsotra Mpanao Gazety Avy Amin'ny Fotony

Am-pifaliana no ampahafantaranay anao ny fahadimy amin'ireo andiany voalohany nahazo tohana ara_bola avy amin'ny Rising Voices. Fandaharanasa nosoratan'ny olontsotra manana kendry ny hanentana ireo tanora mipetraka any amin'ny 'faritra mahanatra' mba ho Olontsotra mpanao gazety mpanadihady, hikaroka, hanoratra ary hanaparitaka fitantarana tsy misy toa azy momba ireo vondrom-piarahamonina tsy fantatra, ho an'ny vaovao ao an-toerana sy erantany.

26 Avrily 2018

Ejypta: andeha tifirina ireo mpanao fihetsiketsehana!

Raha niresaka momba ny fihetsiketsehana miverimberina sy ny fihetsiketsehana manohana ny demokrasia faha-6, voatsikera ireo mpikambana ao amin'ny Antokon'ny fitondrana (NDP) ao amin'ny Parlemanta nandritra ny fifamaliana teo amin'ny solombavam-bahoaka mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny firenena.

17 Avrily 2018

Manoratra Bilaogy momba ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA

Nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena Hiadiana amin'ny SIDA tamin'ny fitenenana ampahibemaso sy mafy mikasika ny VIH SIDA ireo bilaogera manerana izao tontolo izao ny voalohan’ny volana Desambra. Fanomezam-boninahitra ny ady amin'ilay valanaretina, izay mihamatanjaka noho ny fahanginana sy ny fampahalalàna diso, ny lahatsoratra rehetra navoaka tamin’izany.

16 Avrily 2018