Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Septambra, 2018
Olom-pirenena Nepaley miady amin'ny tsifisaziana amin'ny alalan'ny fanentanana “Hatezerana manoloana ny fanolanana”
"...inona no mitranga amin'ireo tovovavy mijaly am-pahanginana? Hilalao politika tsy mahomby foana ve isika sa hanatsara ny rafi-pitsarana?"
Azia Atsimo: Mariazy ifanarahana, firongatry ny bilaogy Hindi, fotoana ho an'ny fanovana fitondrana ao Pakistan, vehivavy ao Afovoany Atsinanana
Ny malaza indrindra farany avy amin'ny bilaogy isan-karazany Aziatiaka Atsimo
Mizaka “enta-mavesatra roa” ireo mpikatroka am-pielezana nikaragoiana
Sarotra ny fikatrohana ara-politika sy ara-pihetsehampon'ny fikatrohana am-pielezana: "Ny fahazoana vaovao voalohany dia midika koa fahatsapana izany voalohany."
Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe
Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.
Artista Kyrgyz iray miantso ny tovovavy ‘hampijoro ny fahafahany manokana’ ao anatin'ny hirany iray malaza
Nivoaka taorian'ny niadian-kevitra nandritra ny taona maro momba ny fomba tokony ho fiakanjon'ny vehivavy ao amin'ny firenena Aziatika Afovoany sy ny fitondrantenany ny hira malazan'i Zere voalohany mitondra ny lohateny hoe 'Kyz'.
Paragoay: ny reny lasa mpikarakara zokiolona, ny zanaka lasa taizan-drenibe
Paragoyana an'arivony no voatery nifindra monina tany Arzantina sy tany Espaina mba hiasa ho toy ny mpanampy an-trano ary namela ny fianakaviany ho andraiketin'ny vehivavy hafa.
Miaro sy mampiroborobo ny hany fiteny kreôla mifototra amin'ny espaniola any Azia ny bilaogy ‘Bien Chabacano’
"Ho avy ny andro izay tsy hitenenana ny fiteny Chabacano afa-tsy ao an-tokantrano ihany raha tsy hoe angaha misy ny fametrahana ezaka lehibe kokoa ifanakonana atao amin'ny fiarovana."
Lahatsary: Andron'ny Zon'Olombelona sy ny Tsy Fanavakahana
Andron'ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra , ny tsy fanavakavahana no lohahevitra amin'ity taona ity, ankehitriny dia mitondra fifantenana vitsivitsy ho anareo amin'ireo horonantsary sasany nataon'ny olona sy nampidirina antserasera mba hanohanana ity zon'olombelona ity izahay.
Fantaro i Ujwol Dangol, mpanorina ny kianja natokana ho an'ny skateboard voalohany ao Kathmandu
Na dia eo aza ny lazany miha-mitombo manerantany - ary eny fa na dia ny vao hanombohany voalohany any amin'ny Lalao Olaimpika taona 2020 any Tokyo aza--, ao Nepal kosa izany dia mbola mifandraika amin'ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava.
Libanona: Lahatsoratra Noraisina Tsy Ankifidy Nandritra Ny Fialantsasatra
Nifanandrify ny andro telo tsy fiasana. Ny taona 2007 no iray amin'ireo taona vitsy ifanandrifian'ny fanisanandro litorjika ho an'ireo kristianina ortodoksa sy ny kristianina katolika. Noho io antony, niara-nankalaza ny fetin'ny Paska avokoa ireo vondrom-piarahamonina kristianina libaney rehetra