· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

31 Oktobra 2018

Shina: Aza adino ny anaran'izy ireny

Nofihazan'ireo manampahefana shinoa ho anaty boaty mainty, toy ireo tsiambaratelom-panjakana, ny isan'ireo mpianatra namoy ny ainy tamin'ilay horohorontany tao Wenchuan tamin'ny 12 mai 2008...Maninona no tsy manao ezaka mihitsy na kely aza mba hananganana lisitra iray misy ireo ankizy mahantra tradoza ireo? Ho soa ho an'ny firenena? Firenena toy inona no manao tahaka izany? Ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka hoe? Olona toy inona no mety ho tia an'izany?

25 Oktobra 2018

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy hetsika vitsivitsy hita teny amin'ny filazambaovao mahazatra, kanefa efa miova izany amin'izao fotoana izao. Na izany aza, ny filazambaovaon'olontsotra aloha no tena mbola loharanom-baovao.

23 Oktobra 2018

Fanehoankevitra Tao Koety Manoloana Ny Fahafatesan'i MJ

After the passing of Michael Jackson there has been a mixture of reactions from the Taorian'ny fahafatesan'i Michael Jackson, nifangaro ny fanehoankevitra tao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana: ho an'ny sasany, fahatsiarovana ny fahazazàny izany, ny sasany kosa miresaka momba ny fihetsehampony manokana mikasika ilay mpanakanto sy ny fanehoankeviny amin'ny hevitry ny olona hafa. Mandika ny fihetsehampo Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.

21 Oktobra 2018