Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2019
Manatevin-daharana ny Fitokonana ho an'ny Toetr'andro ny tanora any Japana
Manomboka mandray andraikitra ny vahoaka Japoney. Tanora Japoney mpanao fihetsiketsehana 2 500 teo ho eo no nanao diabe niainga tao amin'ny Oniversiten'ny Firenena Mikambana ao amin'ny lalana Omotesando ao Tokyo ho any amin'ny toerana fiampitana malaza Shibuya, miantsoantso teny filamatra manoloana ireo mpandeha an-tongotra mitazana ary hita mazava fa gaga.
Tanora mpikatroka Tanzaniana manana vinam-panabeazana mampiaty
Nahita ny fanadihadiana vao haingana notontosain'ny HakiElimu, fikambanana Tanzaniana tsy mitady tombontsoa fa na dia any am-pianarana izay heverina ho "iarahan'ny rehetra" aza, dia mbola tsy namana kokoa ho an'ny mpianatra manan-kilema ara-pahitana ny tontolo fianarana. Vitsy ny sekoly misy ao Tanzania natokana indrindra ho an'ny olona manana kilema isan-karazany.
Lilly Satidtanasarn, ilay zazavavy 12 taona miady amin'ny loto ateraky ny plastika ao Thailandy
Mieritreritra ireo olon-dehibe fa manao entimody na tetikasa any am-pianarana aho. Tsy noraisin-dry zareo ho matotra aho saingy nanohy nandefa imailaka tany aminy aho ary amin'izao, mandray ahy ho matotra ry zareo.
Famorian-tanora ao Shina hampitsarahana ny fahaverezam-pimaroamboary sy mampiroborobo ny firindrana miaraka amin'ny natiora
Nampiray toerana tanora miisa 176 avy amin'ny firenena miisa 82, ny tsenan-kevitra notanterahana tao Changbaishan ao Shina, tamin'ny 15-18 Septambra.
Lasa malaza maneran-tany i Samuel Eto'o, Kameroney kintan'ny baolina kitra, ary handeha hisotro ronono amin'ny faha-38 taonany
Mpilalao tanora indrindra tamin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1998 tany Frantsa, nahavita fahombiazana tsara be i Eto'o tany amin'ny nisy azy niaraka tamin'ny klioba niofanany, ny Akademia Kaji Sports, talohan'ny nifindrany tao amin'ny Real Madrid ho toy ny mpilalao tanora, tamin'ny faha-15 taonany.
Mety tsy hiatrika ny fifanitsanana iraisam-pirenena izay atrehany voalohany ny ekipan'ny mpilalao baolina kitra manana fahasembanana any Kamerona
Niforona tamin'ny volana Martsa tamin'ny heintaona ny ekipan'ny mpilalao tapa-tongotra Kameroney ary mila ny fandraisana anjara iraisam-pirenena mba hahazoany fankatoavana avy amin'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ho an'ny Mpilalao Tapa-tongotra Maneran-tany. Tsy mbola misy antenaina anefa ny momba ny dian'izy ireo.