· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Novambra, 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao an-toerana.

25 Novambra 2010

Thailandy: Fatin-jazarano 2000 tao amina toeram-pivavahana Bodista

Maherin'ny 2000 ireo zazarano nalàna tsy ara-dalàna tratra tao amin'ny toeram-pivavahana Buddhist tany Thailand, ary namelona indray ny adihevitra izany momba ny hoe sao dia efa tonga ny fotoana tokony hanavaozana ny lalàn'ny firenena momba ny fanalàn-jaza. Mizara ny heviny ireo mpampiasa aterineto.

24 Novambra 2010

Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy

Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny...

20 Novambra 2010

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.

07 Novambra 2010