Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2018
Ao anatin'ny famoretana ny fihetsiketseham-panoherana governemanta, manome voninahitra ireo nodimandry ny Nikaragoana
"Raha misy ny zavatra tokony hazava tsara, dia tsy ho toy ny teo aloha intsony ny tanora. Tsy hijery ireo toerana nisian'ny famonoana faobe amin'ny fomba mitovy izahay"
Alaska: Lasa toerana fivahinianana masina ny bisy 142 tao amin'ny sarimihetsika “Into the Wild”
Ny 24 Aogositra 2009, tanora roa mpanao dia an-tongotra lavitra no very tany amin'ny lalankely Stampede akaikin'i Fairbanks, tany Alaska. Nitatitra ireo mpiambina izay nahatsikaritra azy ireo fa nanao akanjo tsotra fanaovana eny an-dalambe izy ireo ary tsy nisy afa-tsy sakafo kely niaraka taminy.
Venezoelà: Tsy alefa intsony ny fandaharana Ry Simpson
Iray amin'ny fandaharana fahitalavitra malaza indrindra manerantany amin'ny fiteny rehetra, nolazain'ny governemanta venezoelana ho tsy mendrika ny fandaharana Ry Simpson fa mampiana-dratsy ny ankizy, ka tsy ho alefa intsony. Fandaharana efa nandeha tao hatramin'ny taona 1989 anefa izany, ary ny tena nahasosotra ny bilaogera dia...
Hetsika Nanoheran'ny Mponin'ny Alina Ao Zeorzia An'ireo Nasiônalista
"Ambivitra kely no tsy nidirantsika tamin'ny fifandonan'ny samy sivily "
Polisin'i Yangon sy ny vondrona ‘nasionalista’ nanaparitaka an-kerisetra ny diaben'ny fandriampahalemana tao Myanmar
"Iza ireo milaza tena fa "olom-pirenena" ireo” ary nahoana ny polisy tonga tao no mody tsy mahita ny fanafihana nataon'ireo voalaza fa olom-pirenena ireo?"
Sahara Andrefana: Sahraouis ao Kiobà
"Boaty vy iray sy tapakazo iray dia ampy ho an'ny Karibeana handihizany"
Egypta: Ny lahatsary mampiseho heloka bevava
Nandefa lahatsary iray nalain'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidina tany Egypta, izay nahitana ny polisy iray manipy valizy iray tany amin'ny vahoaka, ka nahavoa zazakely iray.......
Lahatsary Ho An'Ireo Jamba
Ankehitriny vokatry ny teknolojia, tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo sembana amin'ny fahitàna sy fandrenesana ho voahilikilika noho ny tsy fahafahany mampiasa solosaina.
Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika
Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.
Pôrtô Rikô: Ny lahatsary antserasera ahitana ny hetsi-panoheran'ny mpianatry ny Oniversite
Mbola nihamafy hatrany ny hetsi-panoherana naharitra iray volana manohitra ny fanapahana ny tetibola tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô, ary navitrika tamin'ny fanaparitahana hatrany ny vaovao tamin'ny alàlan'ny lahatsary antserasera sy ny media sosialy hafa ireo mpianatra nipetraka tao anatin'ny faritry ny oniversite Rio Piedras.