Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jona, 2018
La Barbade : Inona No Nanjo an'i Akobi Tacuma Maloney?
Vokatry ny fahafatesana nampiahiahy nanjo ny Rastafariana iray mahira-tsaina , nanokatra blaogy AfriKa CRY BLOOD ny Conseil lchirouganaim ho an'ny Fandrosoan'ny Rastafari (ICAR) mba "hampahafantarana, hiarovana ny fahatsiarovna ary hiarovana ny Ras Tacuma.
Arabisc: Fifidianana Any Bahrain, Fahafatesan'Ankizy, Fahalalahana Manjavozavo !
Nifidy fanindroany ny ho solombavambahoaka teo amin'ny tantara vaovaony i Bahrain . Manodidina ny 300.000 ireo mpifidy nandeha nandatsa-bato. Isan'izany ilay mpitoraka bilaogy Haythoo, izay nanantena ....... ny 'antokony'. Fa ankoatra izany ireo tranga hafa miseho eo amin'ny firenena, samy tantarain'ny mpitoraka bilaogy avokoa ireny.
Ejypta: Mitaky Eid lavitry ny fanorisorenana ara-nofo ny bilaogera
Satria efa akaiky ny Eid Al Fitr (ny fiafaran'ny Ramadan), miomana indray amin'ny fanorisorenana ara-nofo bebe kokoa noho izay efa nanjary fenitra manelingelina ny ny vehivavy ao Ejipta.
Shina: Lahatsary Nivoaka Maneho ny Fifandonana Teo Amin'ny Polisy sy Mpianatra Tao Jiangxi
Niely tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny ekipana polisy roa arivo sy miaramila mankany am-pianarana, miditra, misava ny trano fandrian'ny kilasimandry, mandroaka ireo mpianatra ary manafika azy ireo
MENA: Mitondra fifaliana ve ny orana sa fahoriana e?
Maro tamin'ireo bilaogera sy mpisera Twitter avy ao Ejipta sy ny faritra maro ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra no nitatitra ny fisian'ny orana sy tadiom-bovoka androany [18 janoary 2010]. Arakaraka ny toe-draharaha, ny sasany tsara fandray ny pitik'orana amin-kafaliana raha misedra tadio, tondra-drano ary fahavakisam-po kosa ny hafa.
Azerbaijana: Nolavina ny fangatahana ny fampakarana ny raharaham-pitsarana ho an'ireo bilaogera mpikatroka
Notaterin'ny ny Media Helping Media ny fandavana ny fampakarana ny raharaham-pitsarana an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli, bilaogeran-dahatsary roa sady mpikatroka ho an'ny tanora, izay notanana am-ponja vonjimaika tany Azerbaijan, noho ny antony izay heverin'ny maro fa ara-politika .
Ny Kiakiak'i Gaza Manako Anaty Tontolo Iray Mangina
'Fantatro teo amin'ny sary fa iray tamin'ireo ankizy nijery ahy nanao hosodoko ny andro talohan'io izy. Nanontany ahy izy raha nahita olona aho, tsia hoy aho, ary avy eo lasa izy. Maty izy ankehitriny .''
Fanentanana CCTV mamely ny Google.cn
namoaka tatitra iray tao amin'ny pejiny voalohany izay miampanga ny Google.cn amin'ny fampielezana votoaty vetaveta ny Foibe Fitaterana momba izay Vaovao Tsy manara-dalàna amin'ny Aterineto ao Shina (CIIRC).
Lahatsary Mampiharihary ny Mombamomba Ny Ankizy Miaramila
Nanao fikarohana mombanà lahatsoratra kasaiko ho avoaka mahakasika ny ankizy miaramila aho, no nahita lahatsary tao amin'ny tranonkala fifampizarana lahatsary, izay voalaza fa fanadihadiana natao taminà adolantsento efa ankizy miaramila taloha.
Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I
Zava-misy marina mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ? Nisy ny fanentanana maro sy fepera hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny fireneny misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity