Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2009

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2009

29 Mey 2009

Japana: Fitadiavam-bady!

Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady’. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra tsikelikely...

24 Mey 2009

Maraoka: 11 ny maty nandritra ny fampisehoana iray

11 raha kely indrindra no maty ary 30 no maratra nandritra ny fampisehoana an-kira notontosaina tao Rabat, renivohitra maraokana tamin'ny Asabotsy alina 23 May, fampisehoana ao anatin'ny Fetiben'ny  mozika Mawazine. Efa hifarana indrindra ny fampisehoana no nitranga ity toe-javatra nampalahelo ity fa nianjera nankao amin'ny kianja  Hay Nahda hipooky ny...

22 Mey 2009

Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana

hunger Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo...

20 Mey 2009

Ezypta: Nodimandry ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha

Nindaosin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray tany Paris rehefa narary tao anatin'ny fotoana fohy ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha Ezypsiana Hosny Mubarak antsoina hoe Mohammed. Haingana ny fanehoam-pihetseham-po nataon'ny mpamaham-bolongana noho ny fahafatesan'ity zaza 13 taona ity – nefa tsy nahenoana ny akony velively tamin'ny haino aman-jerim-panjakana raha vao niely...

17 Mey 2009

Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana

Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis,...

09 Mey 2009

Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura’

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny ‘cerisiers’ izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa. Fanaovana ‘Origami’ (kilalao...

07 Mey 2009

Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana

Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana,...