Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2009

28 Febroary 2009

Ejipta : Ny fihetsiketsehan'ny mpianatra

Nanamarika ny tantaran'i Ejipta amin'izao vanin'andro izao ny zava-nitranga nahamenatra niseho ny 21 febroary 1946. Tamin'izay andro izay dia mpianatra an-jatony nanao fihetsiketsehana teo amin'ny tetezana mitsingevana Abbas Bridge no notifirina sy maty an-drano tao amin'ny reniranon'i Nely, taorian'ny baiko nomen'ny manam-boninahitra Anglisy hitifitra ary talohan'ny nanokafana ny tetezana indray...

Eritreritra mamono: Endriky ny ditra ara-nofon’ny Ejipsiana

Mba afaka mampitsahatra ny herisetra ara-nofo ao Ejipta ve ny Facebook groups, ny T-shirts mpanohitra fanadalana, ny bolongana, ny lahatsoratra, ny mpitoraka bolongana, na ireo tia fihetsiketsehana? Tsy azoko eritreretina aloha raha izay hoy i Wandering Scarab (ilay kadradraka mirenireny).

26 Febroary 2009

Broney: Famatsiana ny tra-boinan'ny tondra-drano

Satria singa iray ny ezaka fanangonana ireo fanomezana ho amin’ity famatsiana ity, dia narafitra mandritra ny herinandro vitsivitsy tao Brunei ny hetsika malala-tanana entina hamatsiana ireo tra-boina tamin’ny tondra-drano. Ny oram-baratra tamin’ny volana lasa teo dia nahatonga tondra-drano sy fihotsahan-tany tao amin’ny firenena, izay nandrava trano maro misy fianakaviana miisa...

Ejipta : ny efatra andro nanagadrana an'i Philip Rizk

Andro iray taorian'ny nivoahan'ny lahatsoratra hoe “Ejipta : mitohy ny fisamborana ireo mpanao pôlitika mahery fihetsika sy ny mpitoraka bilaogy” tao amin'ny Global Voices Online, dia nahoraka eran'izao tontolo izao ny vaovao mikasika ny nisamborana an'i Philip Rizk – ka niafara tamin'ny famotsorana azy izany rehetra izany. Mitantara ny nanafahana azy i Arabawy ...

25 Febroary 2009

Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka

Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy nahazo alalana tamin-dry zareo ny gazety iray. Bella Shereef ohatra nanangana vondrona iray mitory ny gazety El Shorouk noho ny...

24 Febroary 2009

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io. Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray miaraka amin'izao fanazavana manaraka...

22 Febroary 2009

Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana...

20 Febroary 2009

Brioney: ny dia amin'ny ankapobe

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

Palestina : Ny tantaran'ilay “martiora” avy any Gaza

Mangirifiry ny fahafatesan'ny olona akaiky anao, nefa atao ahoana no hahazaka ny fahoriana raha ilay olona no naniry ny ho faty ? Ilay mpitoraka bilaogy avy any Gaza, Samaher Al Khazandar no nanoratra mikasika ny zanak'anabaviny antsoina hoe Mu’min Musa Al Khazandar, izay nanaraka ny miaramilan'ny Hamas, ary nanapa-kevitra fa...

03 Febroary 2009

Etiopia: Ny fiovàna entin'ny rano

Tamin’ny faran’ny taona lasa teo, fianakaviana dimy no nanapa-kevitra fa ny fitsidihana an’i Etiopia miaraka amin’ny zanany vavy no fomba tsara indrindra ho azy ireo mba ahafantarany hoe hatraiza no nahafahan’ny fanampiana nomeny hampidirana rano madio sy azo antoka nanova ny fiainan’ny fianakaviana maro sy tanàna iray manontolo. Amin’ny alalan’ny...