Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2011
Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl
Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.
Goatemalà : DipuKids, Andia Tanora Vaovao Kandidà Kongresy
Ny ady an-trano tao Goatemalà tamin'ny (1960-1996) izay namono sy nandefa an-tsesintany ireo tanora mpitarika sy ireo mpianatra ambaratonga ambony marobe manana ny ho avy tao amin'ny firenena, no nampisy fahabangana...
Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao
Yu Jianrong, Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.
Afrika: Ny Tsy Fifankahazoana, Ny Drafitra Tsara Indrindra Sy Ny Fanambin'ny Fiteny
Fantaro ny zavatra ao an-tsain'ireo Bilaogera Afrikana maro amin'ny alalan'ny mpanoratra ao amin'ny "Global Voices", Paula Odhiambo
Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan
Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena...
Togo: Fiatoana Kely Taorian'ny Dimy Herinandro Nisian'ny Hetsi-panoheran'ny Mpianatra
Ny tolon'ireo mpianatra avy any Togo, firenena Afrikana Tandrefana, ny mba hanatsaràna ny fepetram-panabeazana dia efa nahatratra ny herinandro faha-diminy ary na eo aza ny fitsaharana kely tato ho ato, mbola avo ny fihenjanana any Lomé renivohitra.Ao anatin'izany ny fampiakarana sy fandoavana ny vatsi-pianaran'izy ireo.
Maraoka:Mitohy ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Fanovana
Tamin'ny Zoma 8 jiona 2011, nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevi-bahoaka ny vahoaka Maraokana tamin'ny volavolan-dalampanorenana naroson'ny Mpanjaka Mohammed VI. Mampiseho ny fanohanana goavana ny fanovana ny valim-pifidianana ofisialy, izay 98 isan-jato no nisafidy...