Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Desambra, 2022
Hetsika mba hahafahan'ny rehetra misitraka amin'ny vidiny mora ny “salàkam-bavy” ao Azia Atsimo
Misy ezaka atao ao Bangladesh, India ary Népal mba hanomezana salàka fidiovana ho an'ny vehivavy ka mba hanatsaràna ny fahasalaman'izy ireny sy hamongorna ireo fanilikilihana ara-tsôsialy mifamatotra amin'ny resaka fadimbolana.
Mpikatroka ara-politika malaza nosamborin'i Azerbaijan alohan'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona
Miatrika sazy telo taona an-tranomaizina ilay mpikatroka malaza Bakhtiyar Hajiyev raha hita fa meloka amin'ny fiampangana roa samy hafa — asam-boto mpisetrasetra sy fanamavoana ny fitsarana. Milaza ireo mpikatroka fa misy ambadika politika ny fisamborana.
Mpianatra Nizeriana nosamborina taorian'ny fiantsoana ny Vadin'ny Filoham-pirenena ho ‘matavin'ny kolikoly’ tao amin'ny Twitter
Tamin'ny herintaona, nampiato ny Twitter nandritra ny fito volana ny governemanta Nizeriana, nanaisotra ny fandraràna tamin'ny volana Janoary taorian'ny naneken’ny Twitter ny fepetra napetraky ny governemanta, izay manohintohina bebe kokoa ny zon'ny olom-pirenena Nizeriana.
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra: ny fanantenana ao Iràna anatin'ny vanimpotoana sarotra
Kianoush Ramazani, mpanao sariitatra ara-politika nahazo loka sady mpikatroka mafàna fo, manolotra ny heviny momba ny faharetan'ny vahoaka Iraniàna mandritra ny hetsipanoherana misy amin'izao fotoana izao sy ny toeran'ny sariitatra ara-politika ao anivon'ireo endrika hafan'ny fanehoankevitra.