Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2016
Manontany Ny Bilaogera Hoe Nahoana No Mbola Hita Anaty Boky Ao Trinite Sy Tobago ny Fampanambadiana Ankizy
"Tsy olan'ny taona sy fahamatorana ihany izany, fa olan'ny fahefana ihany koa."
‘Tsy Tiako Ho Voan'ny Homamiadana Toa Ahy Ny Ankizy, Na Iza Izy Na Iza’, Hoy Ny Mponina Iray Tao Fukushima
Nitafa taminà vehivavy tanora iray voatily ho voan'ny homamiadan'ny tiroida, avy ao amin'ny Prefektioran'i Fukushima, teboka aotra nipoiran'ilay loza nokleary tamin'ny Martsa2011 ny mpamokatra sarimihetsika tsy miankina iray.
Voasivana Ao Madagasikara, Mamiratra Any Eoropa Ilay Tarika Mpiangaly Gadona Rock-mpanoherana “The Dizzy Brains”
Ny fisandratana tsy hay tohaina ho an'ilay tarika mpiangaly rock avy any Madagasikara: The Dizzy Brains. Ivereno iainana ireo fotoana 3 nanamarika ny fahombiazany.
Mozika Nataon'i Valsero, Kameroney Mpiangaly Rap, Hamelezana Ny 33 Taona Naha-teo Amin'ny Fitondràna Ny Filoha Biya
"Jereo ireo tanora ireo! Tsy misy nofisin-dry zareo intsony afa-tsy ny handeha lavitra / Jereo ireo tanora ireo! Tsy mitolona intsony satria tsy misy dikany izany ho an'ny sasany"
Ginea: Ny Teknolojia Vaovao, Vintana Ho An'ireo Fiteny Ao Amin'ny Firenena
Tafa niarahana tamin'i Tafsir Baldé momba ny fampiroboroboana ireo fiteny ao amin'ny firenena afrikàna
Taorian'ny Fidarohana Nahafaty Tanora Iray, Mitaky Lalàna Henjana Kokoa Ny Shinoa Mba Hampitsaharana Ny Fampijaliana
"Tsy vitantsika ny hanaisotra tsirairay ireo ahidratsy. Fampijaliana any an-tsekoly, ny herisetran-javoto, ireny karazana fitondrantena tsy mivoatra rehetra ireny dia maka ny fàkany daholo avy any anatin'ny fiarahamonina sy ny ankohonana."
Arzantina: ‘Diaben'ny Cap (Kasikety)’, Hetsika iray Tsy Hangina Manoloana Ny Herisetra Mahafaty Ataon'ny Polisy
"Miandahy miambavy izahay. Izahay no ireo bandikely sy sipakely avy any an"-tanàna, ny dihy, ary ny kianja filalaovana baolina kitra, avy any am-ponja manerana ny firenena. Izahay no mpiasa miady isanandro hisian'ny fahamendrehana"
Kolombia, Ny Fifandirany Sy Ny Fanantenàny Araka Ny Fijerin'ireo Mpanabe Ao Anatin'ny ‘Quotidiens d'Urabá’
Ity ny sombiny amin'ireo tantaran'ny mponina ao Urabá any avaratr'i Kolombia, izay na eo aza ny fifandonana mitam-piadiana, ny tsy firaharahàn'ny fanjakàna ary ny rafi-pampianarana sy ny tsy fifandeferana, dia mandà kosa ny tsy hibaikoan'ny tantaran'izy ireo ny hoaviny.
Manohitra ny Fampanambadiana Ankizy Ao India Ireo Mpivarotra Tranolay ho an'ny Lanonana
Ahoana no hahafahantsika miantso ny tenantsika ho mivoatra raha toa ka miroborobo ny fomban-drazana ratsy tahaka izao.
Indoneziana Mandrehitra Labozia Sy Mitaky Ny Rariny Ho An'Ireo Tanora Maty Niharan'ny Fanolanana
"Nalahelo avokoa isika rehetra tamin'ilay namoizana an'i YY tamin'ny fomba mahatsiravina. Tsy maintsy samborina ireo nanatanteraka izany ary hahazo ny sazy faratampony. Tsy maintsy arovana amin'ny herisetra ny zaza amam-behivavy"