Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2018
India : Fifidianana Solombavambahoaka Tamin'ny 2009, Fanentanana Tety Anaty Tambajotra
Misy sokajina tranonkala hafa manasa ny olompirenena ho aminà fifampiresahana sy fanaovana fanazarantena amin'ireo lohahevitra momba ny fanabeazana olompirenena; ny vondrom-piarahamonina an-tserasera no ampiasain-dry zareo mba ho mpitarika amin'ireo hetsika iraisana [...] Mihevitra aho hoe hevitra tsara ireo tranonkala sosialy momba ny fifidianana
Madagasikara: Ireo Nofinofin'ny Hoavy Sy Ireo Hevitra Sasany Mikasika Ny Fanampiana Iraisampirenena Ho An'i Afrika
Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy mandeha aminà zotra tokana hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena. Misy ireo ohatra amin'ny fanampiana afrikana mankany Eoropa ary na ireo firenena tena matanjaka erantany aza dia mila fanampiana indraindray.
Saripika: Nizara ny fitiavany ny permaculture tany Surinam izy
Resadresaka nifanaovana tamin'i Alex Yakaumo, manam-pahaizana manokana momba ny permaculture, mampianatra sy mitantana atrikasa momba ny tontolo iainana manerantany ao anatin'ny fiarahamonina ao Surinam.
Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto
Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?
Eo An-Tànan'i Rashid Khan, Ilay Kintan'ny Mpilalao Cricket Afgana, Ny “Hoavy”
Sachin Tendulkar, indiana mpitàna fikapoka izay efa misotro ronono, matetika hita amin'ny ngezalahin'ny fotoana rehetra, no mpanipy baolina mendrika indrinda ao amin'ny T20I, hoy i Khan.
Ejypta: Lahatsarim-pifidianana, Fanapahana ny fanampiana Amerikana ary Bilaogy vaovao avy amin'ilay talen'ny sarimihetsika mana-talenta
Amin'ny fitsidihana avy ao Ejypta amin'ity herinandro ity, manoratra momba ny olana ao an-toerana ary koa ny fifandraisan'i Ejypta sy Etazonia ireo bilaogera ary mampahafantatra anareo koa momba ireo bilaogy vaovao mahaliana mikasika ny sarimihetsika, sary sy ny tanora liberaly aho.
Ejypta: Fanentanana “Atsaharo ny fihoaram-pefy amin'ny zava-mahadomelina”
"Atsaharo ny rongony.. Ovay ny fiainanao" no teny filamatra ho an'ny fanentanana iray vaovao mampiadihevitra natombok'i Amr Khaled tao Ejypta sy ny firenena Arabo hafa.
Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana
Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "
Nampiseho miharihary ny fijalian'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi vitsy an'isa ao Iran ny fahafatesan'ny zazalahy iray 12 taona
Ny famonoan-tena nataon'i Meysam no tranga mampalahelo farany indrindra niseho teo amin'ny vondrom-piarahamonina Ahwazi, mponina vitsy an'isa monina any amin'ny faritra manankarena solika any atsimon'i Iran izay miatrika fahasarotana sy fanavakavahana ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena.
Zimbaboe: Zazakely 2 Taona Voafonja Anaty Efitrano Mitokana
Angatahako ianareo farafaha-ratsiny mba hanao zavatra kely [....], mangataka amin'Andriamatoa lehihen'ny fampanoavana mba mba hanomezana haingana miaraka amin'ny vava an'io zazakely io ho any amin'ireo tomponandraikitry ny Asa misahana ny ankizy sy hanafahana azy amin'ny fonja